Photo

𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎

Hanomboka ny sabotsy 5 jolay 2025 ho avy izao ny tetiandro ho an'ny fitsarana miaramila ho an'ny taona 2025 eto Antananarivo. Ao amin'ny Kianjan'ny Malacam Antanimena no hanaovana izany ka manomboka amin'ny 8 ora maraina izany ka hatramin'ny 4 ora hariva. Entanina araka izany ny tanora lahy sy vavy 19 hatramin'ny 31 taona izay tsy mbola nitsara miaramila ho tonga eny an-toerana. Maimaim-poana ny fiatrehana ny fitsarana miaramila ary mitondra kara-panondrom-pirenena sy penina manga ireo hiatrika izany. Ho an'ny distrika sy ivelan'Antananarivo kosa dia hisy ny fampitan'ny tomponandraikitra eny ifotony ny fotoana sy ny toerana hanatanterahana izany fitsarana miaramila izany.