Notanterahina tao amin'ny Sekolim-pirenen'ny Manamboninahitra Lefitra na ENSOA ny fankalazana ny 01 febroary 2026 ho an'ny Manamboninahitra Lefitra rehetra.
Nizara roa ny fankalazana ity andron'ny Manamboninahitra Lefitra ity ka fanangan-tsaina narahina hazakazaka ara-pirahilahiana no nanombohana ny fotoana. Nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël sy ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry, Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika ary ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny Governemanta, niaraka tamin'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène. Nanotrona izany koa ireo tomponandraikitra ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Etamazaoron'ireo Tafika.
Niarahaba manokana an’ireo Manamboninahitra Lefitra ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.
Nafonja ny hafatra nampitainy ka noraisiny ohatra ny hira fanevan’ity Sekoly ity, izay milaza ny fahavononan’ireo Miaramila ho an'ny Tanindrazana. " Miandry anareo ny firenena sy ny vahoaka malagasy amin’ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana mba hampandrosoana ity firenena malalan-tsika ity" hoy hatrany izy.
Nitohy tamin'ny fitsidihana ny “Valatahaka”, izay toerana misy fambolena sy fiompiana moderina ny hetsika. Marihina fa ny “Valatahaka” dia ahitana fiompiana trondro manaraka ny fivoarana, izay lasa toerana fanaovan’ireo mpianatra fikarohana ihany koa, raha ny fanazavana nentin'ny Kolonely RAZAFITOMBO Leva Naina, Komandin’ny “ENSOA”.
Niroso tamin’ny fitokanana ny trano fisakafoan'ireo mpiofana na "réfectoire" nampitondraina ny anarana hoe Gamela ny fotoana.
Ny tapany faharoa tamin'ny fankalazana ny andron'ny Manamboninahitra Lefitra dia ny lanonana fametrahana galona ho an'izy 467 mirahalahy nahavita fiofanana BMP2-CM2 sy BMP1-CM1, natao teo amin'ny tokotany malalaky ny ENSOA. Nahazo ny galona "sergent" sy "adjudant" izy ireo rehefa nahavita ny fiofanana nandritra ny 4 ka hatramin'ny 9 volana. Ny Sekolim-pirenen'ny Manamboninahitra na ENSOA izay niforona ny 1 febroary 1963 dia toerana manan-tantara eo amin’ny fanofanana sy fanabeazana ny Manamboninahitra Lefitra, ary manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fanatsarana ny Tafika.