Photo

𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Nanomboka ny marainan'ny alarobia 28 janoary 2026 tao amin'ny Cercle Mess Soanierana ny fivorian'ireo tomponandraikitra ambony eto amin'ny Tafika Malagasy. Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely niaraka tamin'ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina, ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène. Nisy ny famelabelarana ny tombana ny zava-bita tamin'ny taona 2025 hijerena ireo fanatsarana tokony atao sy ny vinan'asa 2026. Taorian'izay no nanoloran'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy ny vina, ny toromarika ary ny fironana stratejika mifanaraka amin'ny politika ankapoben'ny fanjakana ho an'ny fanavaozana (PGE-R) ho an'ireto tomponandraikitra ambon'ny Tafika ireto izay tanjon'izao fivoriana izao. Araka izany dia niantefa tamin'ireo tomponandraikitra ambony ny tenany ary nampatsiahy ireo zavatra takiany amin'ny fikaonan-dohan'ny miaramila izay natomboka afak'omaly, voalohany amin'izany ny fanatsarana ny fiaim-piainan'ny miaramila, anatin'izany ny fanatsarana ny sata akapoben'ny Tafika mba ahafahana manana Tafika Malagasy manaraka ny lalàna velona. Faharoa amin'izany, aoka ihany koa hoy ny tenany mba tsy ho fitaovana politika intsony ny Tafika malagasy, mba ho feo iray ihany ary mba hipetraka hatrany ho aro farany amin'ny firenena. Nibahana tamin'izany vina sy toromarika nomen'Andriamatoa Minisitra izany ihany koa ireo asa mipaka amin'ny fiaim-piainan'ny vahoaka malagasy "Tafika manakaiky vahoaka", anatin'izany ny fanamafisana sy fanatanterahana ny laharam-pahamehana napetraky ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika dia ny hanatsarana ny Jenia Miaramila, hisy ny lamina sy fepetra entina manatanteraka izany hoy hatrany ny Minisitra. Notsipihiny nandritra izao fivoriana izao ihany koa ny tokony ho hanatsarana ny fampianarana sy fiofanana ara-miaramila ary ny hikarakarana ireo fitaovana sy foto-drafitr'asa eo am-pelatanana. Nanatrika izao fivoriana izao ireo tomponandraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ireo Etamazaoro isan-toko ary ireo lehibe amin'ny rafi-pibaikona isan'ambaratonga eto anivon'ny Tafika Malagasy.