Photo

FITSARANA MIARAMILA 2026 : HISOKATRA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY 4 JOLAY NY FOTOANA FITSARANA MIARAMILA.

Mampahafantatra ny Fitaleavan'ny Fanompoam-pirenena sy ny Fitantanana ny Fiandry (DSNGR) fa hisokatra amin'ny fomba ofisialy ny 4 jolay 2026 ny fitsarana miaramila ho an'ny taona 2026.


Ho an'ny eto Antananarivo, dia hotanterahina manomboka ny 4 jolay ka hatramin'ny 5 aogositra 2026 ny fitsarana miaramila. Ho an'ny any amin'ny faritra kosa dia hanomboka ny 15 aogositra 2026 izany, ary eny anivon'ny toby miaramila sy ny biraom-panjakana eny ifotony no ahafahan'ny rehetra mahazo ny tetiandro sy ny toerana hanatanterahana izany fitsarana miaramila izany.


Tsiahivina fa ny zatovo lahy sy vavy manomboka amin'ny 19 taona ka hatramin'ny 31 taona no voakasiky ny fitsarana miaramila. Noho izany dia entanina ireo rehetra mbola tsy niatrika izany mba hanatona ny toerana sy ny daty voatondro, ka hanatanteraka ny adidiny amin'ny maha-olom-pirenena azy.

Ireto avy ny entina rehefa miatrika fitsarana miaramila :

•Kara-panondrom-pirenena ; 

•  Penina manga. 


Marihina fa maimaim-poana tanteraka ny fitsarana miaramila.