Niavaka ny matso lehibe nandraisan’ireo Hery fiarovana sy filaminana (FDS) anjara, ho fanamarihana ny andron’ny 14 oktobra tao amin’ny seranam-piaramanidina Antsohihy.
-Toy ny efa fanao isaky ny fetim-pirenena dia manana anjara goavana ny Foloalindahy. Nialoha ny matso dia nisafo ny andian-Tafika ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël amin’ny maha Lehibe Faratampon’ny Foloalindahy azy, niaraka tamin’ireo Manamboninahitra ambony tompon'andraikitra isan-tsokajiny eto amin'ny Foloalindahy. Anisan'ny nanamarika ity matso ity ihany koa ny fahantongavan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenen'i Tchad, Andriamatoa ALI Kolotou Tchaïmi. Ity farany dia namaly ny fanasana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika azy, ary nisolo tena ny filohan’i Tchad, voalaza fa raikitra noho ny raharaham-pirenena any an-toerana. Marihina fa ny tarakevitra noraisina tamin’ity fankalazana ny andron’ny 14 oktobra ity dia ny hoe "fahafahana, fanavaozana ho an'ny tena fahaleovan-tena sy fandrosoana".
-Taorian’ny fisafoana ny andian-Tafika dia nialoha lalana ireo Hery Fiarovana sy ny Filaminana ny Mpitsoka mozikan'ny Tafika. Taorian’izay kosa dia nifandimby nanao dia miara-mamindra ireo mpitandro ny filaminana. Anisan'ny nampiavaka ity matso ity ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo fikambanana isam-paritra izay nisongadina tamin'ny fomba fitafy mampiavaka azy ireo tsirairay avy. Teo no nanehoana ny kolotsaina maha- Malagasy, amin’ny alalan’ny randrana, ny fomba fandihy... Tao anaty filaminana tanteraka no nizoran'ny matso ary rehefa vita ny hetsika dia niroso tamin’ny fiaraha-misakafo ireo vahiny manan-kaja ambony.