Photo

𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐇𝐈𝐇𝐘: 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐘 𝐁𝐑𝐈𝐆𝐀𝐃𝐄 𝐃’𝐈𝐍𝐅𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐈𝐄 𝐍𝐎𝐑𝐃-𝐎𝐔𝐄𝐒𝐓

Nanatanteraka fitsidihana ny « Brigade d’Infanterie Nord-Ouest », ao amin’ny « Bataillon Infanterie Antsohihy », ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, niaraka tamin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, sy ireo Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny alatsinainy 12 oktobra 2026.

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny 14 Oktobra 2026 eto Antsohihy izao fitsidihana izao, izay natao hijerena ny toe-piainan’ireo miaramila sy hihainoana ny olana sedrain’izy ireo eo am-panatanterahana ny asany. Nandritra izany no nanomezan’Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy ireo toromarika sy nanolorany ihany koa ireo tolo-kevitra mifandraika amin’ireo olana voaray.

Nasongadiny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fampahafantarana ny vahoaka ny andraikitra sahanin’ny Tafika, indrindra ny asan’ireo vondron-tafika toy ny “compagnie” sy ny “détachement”. Araka ny fanazavana nataony dia ilaina ny hahafantaran’ny mponina ny asa sy ny andraikitry ny miaramila mba hisorohana ny hevi-diso sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika sy ny vahoaka. Ny fitandroana ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina no anisan’ny tanjona kendrena amin’izany.

Ankoatra izay, nojerena nandritra izao fitsidihana izao ihany koa ny filàna eo amin’ny lafiny foto-drafitr’asa eny anivon’ny toby, mba hanatsarana ny fari-piainan’ireo miaramila sy hanamorana ny fanatanterahan’izy ireo ny andraikitra nankinina amin’izy ireo.