Photo

𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 : 𝐍𝐎𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐊𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 5 jolay 2025 teny amin'ny Kianjan'ny Malacam Antanimena ny fitsarana miaramila ho an'ny taona 2025. Nanokatra izany Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin niaraka tamin'Andriamatoa Talen'ny fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny fiandry, na ny DSNGR etsy Andohalo, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina. Nambaran'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy nandritra ny lahateniny fa sady adidy no fanehoana ny fitiavan-tanindrazana ny fitsarana ho miaramila. Amin'ny alalan'ny fanatanterahana izany, hoy ihany izy, no ahazoana karatra maitso hanomezana ny "Certificat de position militaire"; izay tena ilaina amin'ny sehatra maro amin'ny maha olom-pirenena. Miezaka ihany koa ny minisitera manakaiky ny vahoaka, antony nisafidianana ity kianja ity hanatanterahana ny fitsarana miaramila mba ho akaiky ny rehetra. Notolorana karatra maitso avy hatrany moa ireo efa nahavita fitsarana miaramila nandritra ity lanonana ity. Marihana fa adidy tsy maintsy efain'ireo tanora lahy sy vavy 19 taona hatramin'ny 31 taona ny fitsarana ho miaramila, araka ny efa voafaritry ny lalàna velona misy eto Madagasikara. Isan-taona dia manokana tetiandro hanaovana io fitsarana miaramila io ny Minisiteran'ny Foloalindahy, amin'ny alalan' ny DSNGR etsy Andohalo. Haharitra hatramin'ny 3 aogositra ny fitsarana ho miaramila eny amin'ny Kiajan'ny Malacam, alatsinainy hatramin'ny zoma manomboka amin'ny 8ora maraina hatramin'ny 4ora tolakandro. Ho an'ny any amin'ny faritany kosa dia efa misy tetiandro napetraka any amin'ny biraon'ny fiarovana sy any amin'ny Distrika manerana ny Nosy. Nanotrona izao lanonam-panokafana izao ny ireo tomponandraikitra isan'ambaratonga eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ireo Etamazaoro ary ny Zandarimariam-pirenena.