Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny 29 jolay 2025 tao amin'ny Cercle Mess Fiadanana ny atrikasa mahakasika ny fanavaozana ny fanavaozana ny sata ankapobe mifehy ny miaramila.
Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Amiraly ASSANY Bemarivo Jeannot izay nisolo tena ny Minisitry ny Foloalindahy.
Maro ny tanjona kinendry amin’izao atrikasa izao hoy ny tenany raha tsy hitanisa hafa tsy ny fanavaozana araka ny lalàna ny sata mifehy ny miaramila, ny fanamafisana ny fampiharana ny fitsipika, ny fanomezan’antoka ny fandraisana an-tanàna ny fivoarana ara-ekonomika, teknôlojika ary pôlitika ao anatin’ny sata mifehy ny miaramila, ny fampivoarana izany hifandraika amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fijerena ireo miaramila vehivavy eto amin'ny Tafika ary indrindra ny fankatoavana ho ara-dalàna azy.
Notsiahivin'ny Talen'ny Fitaleavana misahana ny Raharaha araka ny lalàna eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, Ramatoa RAKOTOBE Nivonirina Noferana, fa 29 taona lasa izay no nandaniana ny sata mifehy miaramila ankehitriny. Na teo aza ny fanitsiana izany natao teo aloha dia tsapa fa maro ireo andininy mila fanavaozana izay tsy mifanaraka intsony amin'ny zava-misy ankehitriny ka antony hanaovana izao atrikasa izao.
Mpandray anjara maro avy eto amin'ny minisitera, ny Etamazaoron’ireo Tafika, ireo Etamazaoro telo ary ireo rafitra manana andraikitra mivantana amin'izany sata mifehy ny miaramila izany no mandray anjara amin'izao atrikasa izao amin'ny alalan'ny asam-baomiera ka amoahana tolo-kevitra.
Nanome voninahitra ny fanokafana sy mandray anjara feno amin'izao atrikasa izao ihany koa ny solontena avy amin'ny Sekreteria maharitra ny filaminana sy fandriampahalemana (SPDSN), ireo Tomponandraikitra eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena.