Notsahivina ny sabotsy 19 jolay 2025 teny amin'ny sahan'Ampitifirana, Akatso ny hetsi-pahatsiarovana ireo Malagasy mahery fo nitari-tolona tamin’ny hetsi-panafahana 1947-1948.
77 taona ny nitifirana ireo Mahery fo niady ho an'ny fahafahan'i Madagasikara teo ambany vahoan'ireo mpanjanaka dia ny Lietnà RANDRIAMAROMANANA Albert, RAKOTONDRABE Samüel, RATSIZAFY Samüel, LEZOMA ary BEKAMISY.
Ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy, no nitarika izany hetsi-pahatsiaroavana izany, notronin'ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara Andriamitovy, Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria. Nanome voninahitra ny fotoana koa ny Filohan'ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Jeneraly RAVALOMANANA Richard sy ireo tompon'andraikitra ambony sivily sy miaramila ary ireo andiany avy amin’ny sekoly maro mitondra ny anaran’ireo Mahery fon’ny firenena.
Nambaran'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy fa andro manan-danja amin’ny tantaran’ny firenena ity andron'ny 19 jolay izay natokana hahatsiarovana manokana an'izy dimy mirahalahy ity. Midika ho fahavononana sy fahasahiana mandray andraikitra tanteraka manoloana ny olana lehibe nianjady tamin’ny firenena tamin’izany fotoana izany ny fanoloran-tenan'izy ireo. Adidintsika ankehitriny ny maneho ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’ireo mpitolona tamin’izany amin'ny fiaroavana ny tanindrazana mba tsy ho ataon’ny olona hafa tsinontsinona ny fiandrianam-pirenentsika hoy izy nandritra ny lahateniny.
Tokony ho sahy mijoro hatrany isika hampiseho ny hambom-pom-pirenena izay ao anatintsika ho entina hampisandratra an’i Madagasikara sy ho fanohizana ny fahafahan’ny firenentsika izay efa niadivan’ireo razantsika taloha.
Anisan’ny anjara andraikitra tokony horaisin‘ny olom-pirenena tsirairay avy, ho fanaporofoina izany ny fampitantsika amin’ireo taranaka ny tantara tena nisy marina ary ny maka lesona amin’izany.
Marihina fa nandritra izany dia nisy ny fametrahana ireo afom-pahatsiarovana izay anomezam-boninahitra ireo mahery fon’ny firenena.
Nitohy tamin'ny fametrahana fehezam-boninkazo sy horonam-boninkazo fahatsiarovana avy amin'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Filohan'ny Antenimierandoholona, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny taninketsa fanilon’ny 1947, ny
Mpiady tia tanindrazana Malagasy (VTTM) sy ny fianakavian'ireo mahery fon’ny firenena.
Toy izany ihany koa ny andiany faha 17 avy ao amin'ny CEDS na ny "Centre d'Etude Diplomatique et Stratégique" eny Androhibe Antananarivo mitondra ny anaran’ny Lietnà Randriamaromanana Albert sy ny andiany faha 19 nivoaka avy tao amin'ny CEDS Androhibe Antananarivo mitondra ny anaran’i RAKOTONDRABE Samuel.
Nanatanteraka izany fametrahana fehezam-bonikazo izany ihany koa ny andiany Lietna RANDRIAMAROMANANA Albert tao amin'ny Sekoly Miaramilam-pirenena ao Beravina Fianarantsoa, andiany misy an’Andriamatoa Jeneraly Minisitry ny Foloalindahy.
Nitohy tamin'ny fijoroana fahatsiarovana nataon'ny fianakavian'i Lietna Randriamaromanana Albert sy Rakotondrabe Samuel izany ary notohizana tamin’ny fitsidihana ireo fampirantiana mahakasika izao hetsi-pahatsiarovana izao.
Nofaranana tamin'ny fizaranan’Andriamatoa Minisitra sy ireo manam-pahefana marim-pankasitrahana ho an'ireo mpikambana tao amin’ny Komity Teknika Mpanomana ny Hetsi-pahatsiarovana ny 29 marsa 1947 ny hetsika.