𝐅𝐀𝐍𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐌𝐏𝐎𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟒𝟓 𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐃𝐂 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐅𝐈𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀
Notontosaina tao amin’ny Kianjan'ny Barea ny alatsinainy 21 jolay 2025 tolakandro ny famelabelarana sy ny fanehoana mikasika ny fandaminana sy ny fepetra rehetra ho raisina amin'ny lafiny fandriampahalemana sy filaminana mandritra ny fihaonana an-tampony faha 45 ny SADC (Southern African Development Community) izay ho atao eto Antananarivo ny 3 ka hatramin'ny 18 aogositra 2025.
Nitarika izany Ramatoa RASATA Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, niaraka tamin'ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, Ministrin'ny Filaminam-bahoaka sy Dr Judith Kateera, Sekretera Mpanatanteraka Lefitry ny SADC, ary Ramatoa RAZANAMAHEFA Tahin'ny Avo, Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny fanjariana ara-tsakafo.
Nitarika ity famelabelarana sy fanehoana ity ny Tale Jeneraly ny Fitaleavana Jeneralin'ny tetipivoarana stratejika (Direction Générale de la Planification Stratégique – DGPS), ato amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAKOTONANDRASANA René Bruno izay sady nisolo tena ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy. Notronin'ireo tompon'andraikitra avy amin'ireo kaomisiona isan-tsokajiny miandraikitra ny lafiny filaminana, izay ahitana ny avy eo anivon'ny Fiadidina ny Repoblika sy ny Primatiora, ny avy ao amin'ny Hery Fiaroavana sy Filaminana ary ireo andrim-panjakana rehetra voakasik’ity fivoriam-be ity.
Marihana fa nisy ihany koa ny fanehoana ireo karazana fiara itondrana ireo tompon'andraikimpanjaka rehetra ho avy hiatrika izany fihaonana an-tampony faha 45-n'ny SADC ho tanterahina eto Madagasikara izany.
Nankasitra feno ny fanehoana sy famelabelarana nataon'ireo rehetra mpisehatra eo anivon'ny Hery Fiaroavana sy filaminana nandritra izany Ramatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny. Nanamafy izany koa Ramatoa Sekretera Mpanatanteraka, iraka manokana avy amin’ny SADC, ary
nambarany fa tena miasa ny rehetra ao anatin'izao fanomanana izao ary hita fa mirindra tsara ny fandaminana rehetra indrindra ny mikasika ny lafiny filaminana.
Izao dia mampiseho fa mirary hina ary miara-misalahy tanteraka ny eo anivon'ny Hery fiaroavana sy filaminana ary ireo andrimpanjakana rehetra hofanantontosana antsakany sy andavany izao fihaonam-ben’ny SADC izao, izay sehatra iray lehibe anisan'ny mitondra fandrosoana ho an’i Madagasikara.
Hamafisina fa amin’ny alalan’ny fandrindrana hentitra feno fanoloran-tena avy amin’ny rehetra, dia azo antoka fa handeha am-pilaminana ary hahomby ity hetsika ity ho fanomezam-boninahitra ny firenena Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.