Nanomboka
ny alatsinainy 7 jolay 2025 ny fampianarana teny anglisy ataon'ireo
miaramila Indianina ho an'ireo mpiasa sivily sy miaramila eto amin'ny
Minisiteran’ny Foloalindahy sy ireo Etamzaoro. Izany fampianarana Izany
dia atao ao amin'ny trano fianarana teny vahiny eto amin’ny
Fitaleavan’ny serasera eto anivon’ny Minisiteran'ny Foloalindahy.
Haharitra telo volana ity fampianarana ity izay atomboka amin'ny sokajy
fototra ka aorian'izay no hisokafan' ny sokajy antenantenany.
Nanokatra
izao fampianarana sy fiofananana izao tamin'ny fomba ofisialy ny
Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Amiraly ASSANY
Bemarivo Jeannot niaraka tamin'ny Talen'ny Serasera eto anivon'ny
Minisiteran'ny Foloalindahy, Ramatoa ANDRIANARISOA Bodo Hanta Lovasoa.
Namporisihin'Andriamatoa
Sekretera Jeneraly ireo mpianatra hilofo hatrany amin'ny fianarana izay
entina manatsara ny fiatrehena ny asa andavanandro. Nanolotra ny teny
fankasitrahana ireto delegasiona avy amin'ny firenena Indianina,
tarihin'i Kolonely Devashish Dikshit ihany koa ny tenany amin'ny
fanatanterahana izao fampianarana izao, izay porofo mivaingana amin'ny
fiaraha-miasa matotra eo amin'ny firenena roa tonta.