Photo

« 𝐍𝐎𝐄𝐋𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐋𝐈𝐀𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓 » 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐋𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐕𝐈𝐀𝐌𝐁𝐄𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘

« NOELY FIFALIANA», io no lohahevitra nentin’ny fianakaviam-ben’ny Minisiteran’ny Foloalindahy tarihin’ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely mivady nankalaza ny fetin’ny noely ny sabotsy 20 desambra 2025 teo amin'ny Minisitera Ampahibe. Fanompoam-pivavahana no nanombohana ny fotoana izay notarihin’ireo Ray aman-dreny ara-panahy eo anivon’ny fitaizam-panahy eo amin’ny Minisitera izay nitohy tamin’ny kilalaon’ireo zanaky ny mpiasa sy ny soradihy nataon'ny Fikambanan'ny vady miaramila (FIVAMI) ary ireo solontenan'ny mpiasa narahan'ny fanentanana samihafa. Nanaraka izay dia nandray fitenenana Andriamatoa Minisitra ary nifarana tamin’ny fizarana nofokena mitam-pihavanana ho an’ny mpiasa sy ireo ankizy zanakin'ny mpiasa ary ireo zaza beazina eny amin'ny Orphelinat "La Pagode" ny lanonana.
Fisaorana no natolotr'Andriamatoa Minisitra ireo mpiara-miasa sy ireo mpikarakara nahatomombana ny fetin’ny noely nandritry ny lahateniny, ary indrindra ho an'ireo ankizy nanolotra seho nahaliana sy nahasarika. Nankasitraka ireo mpiara-miasa rehetra tsy an-kanavaka ihany koa ny tenany noho ny asa sy ny ezaka vitan'ny tsirairay na dia teo aza ny zava-tsarotra nolalovana teo amin'ny lafiny maro. Nohamafisiny fa ny Krismasy dia fety mampiray sy mampifandray ary fotoana ihany koa hifampizarana fitiavana sy hifampizarana tsiky ary hafanana.
Nirary krismasy sambatra sy feno fifaliana ho an'ny Malagasy rehetra amin’ity fety ity ihany koa Andriamatoa Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany.