Photo

𝐊𝐑𝐈𝐒𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐇𝐎𝐏𝐈𝐓𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐒𝐎𝐀𝐕𝐈𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀.

Notanterahina ny Alarobia 17 desambra 2025 tao amin’ny "Centre Hospitalier de Soavinandriana" (CENHOSOA)ny hetsika Krismasin’ny Ankizy izay fanao isan-taona eo anivon’ity Hopitaly Miaramila ity. Tanjon'ny hetsika ny hampifaly ireo zaza tsy salama tsaboina ao amin’ny Sampandraharaha "Pédiatrie et Néonatologie", sy ireo zaza manao fizaham-pahasalamana ao amin’io sampandraharaha io.
Nifanindran-dalana tamin’izany hetsika izany ny fitsidihan'ny delegasiona avy amin'ny Fikambanan’ny Vady Miaramila (FIVAMI) ireo zaza ao amin’ny Hopitaly. Nitarika azy ireo tamin'izany Ramatoa vadin’Andriamatoa Jeneraly Mazaoro Jeneralin'ny Tafika, nisolo tena an-dRamatoa vadin’Andriamatoa Jeneraly Minisitry ny Foloalindahy sy Ramatoa vadin’Andriamatoa Jeneraly Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika.
Nandray ny delegasiona sy nitarika ny fotoana ny Médecin Général de Brigade RANDRIANTSARA Iharijaoniaina Joe , Tale Teknikan'ny Hopitaly, nisolo tena ny Jeneraly Tale Jeneralin'ny Hopitaly Miaramila, niaraka tamin’i Médecin Colonel ANDRIANIRINA Zafitsara Zo, Lehiben’ny Sampandraharaha "Pédiatrie et Néonatologie" ao amin’ny CENHOSOA. Nanotrona izao fitsidihina izao ihany koa ireo mpitsabo eo anivon'ity sampandraharaha ity.
Fizarana valopy avy amin’ny FIVAMI,fampilalaovana ireo ankizy niarahana tamin’ny Tarika OKALOU ary fizarana kilalao avy amin'ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) sy ny mofomamy avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka no natao nandritra izany hetsika izany mba hanomezana fifaliana sy ho fanohanana ireo ankizy amin'izao ankatoky ny fankalazana ny Krismasy izao.