Photo

𝐀𝐊𝐀𝐃𝐄𝐌𝐈𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐁𝐄 : 𝐅𝐀𝐍𝐄𝐇𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐄𝐕𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐕𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟒𝟖

Tontosa ny alakamisy 18 desambra 2025 teo amin’ny “Place d’Armes de la Garnison d’Antsirabe“ ny lanonana fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny andiany mivantana faha-48 ny Akademia Miaramila. Mpianatra ho manamboninahitra 89 mianadahy, ahitana teratany vahiny miisa 10 avy any Burkina Faso, Niger, Côte d’Ivoire, Comores sy vehivavy malagasy miisa 08 no naseho teo ambany faneva tamin'izany.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-Pirenena, ny Jeneraly BAMA Marima niaraka tamin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, ary ny Jeneraly Komandin’ny Fari-Piarovana sy Filaminana Tsiafajavona. Nitarika ny lanonana kosa ny Jeneraly RATSARAHEVITRA Andriamisetra, Komandin’ny Akademia Miaramila.
Naseho ambany faneva ireo manamboninahitra ireo rehefa nahavita ny fiofanana fototra ara-miaramila nandritra ny 45 andro. Ny fiofanana fototra ara-miaramila dia anisan’ny fiofanana henjana sy sarotra, feno fitsapana ara-batana, ara-tsaina ary ara-moraly natao hanefena ireo mpianatra ho manamboninahitra amin’ny asa miandry azy ireo rahatrizay.
Niarahaba azy ireo nahatontosa an-tsakany sy an-davany ny fiofanana fototra ara-miaramila sy nahatontosa ny fanehoana ambany faneva izay manamarika ny maha-miaramila azy ireo ny Minisitry ny Foloalindahy. Nankahery azy ireo ihany koa ny tenany amin’ireo dingana sy sedra maro mbola holalovan’izy ireo mandritry ny fiofanana mpianatra ho manamboninahitra.

Taorian’ny lanonana ara-miaramila dia nitsidika ny toerana hanaovana asa fanorenana trano fanampiny hipetrahan’ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Akademia Miaramila ireo Manampahefana.

Taorian’izay dia nisy ny fampisehoana fahaiza-manao ara-miaramila nataon’ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny andiany mivantana faha-48.