Amin'izao ankatoky ny fankalazana ny fe
tin'ny noely izao dia tonga nitsidika ireo ankizy ao amin'ny akany fitaizana Zaza kambotin'ny Tafika ny Société Vision Madagascar (VIMA) ny Talata 16 desambra 2025.
Nirary soa sy fahombiaza ho an'ny ankizy ao amin'ny akany ary nanolotra vatomamy , vary ,menaka, sira, Paty ary savony izy ireo ho entina ankalazana ny fetin'ny Noely.
Marihana moa fa miisa 35 ny ankizy taizana eny amin'ny ivotoerana fitaizana zaza kambotin’ny Tafika Antsahasoa 5 Pagode. Ny akany dia misahana ny fikarakarana ireo zanaka navelan’ny miaramilan’ny tafika lavo an’ady teny ankianja nandritrin'ny fanatanterahana ny asa fampandriana fahalemana.
Isaorana sy ankasitrahana

ny Vision Madagascar nahatsiaro manokana ireto Zaza kamboty ireto.