Photo

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐋𝐈𝐓𝐀𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐁𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐄𝐍𝐇𝐎𝐒𝐎𝐀


Notontosaina ny talata 09 desambra 2025 ny fiofanana mahakasika ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana (CENHOSOA). Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny "Association Santé–Souffle–Développement" (ASSD) Frantsa izay tarihin’i Dr Frédéric GOUTORBE sy ny "Service des Maladies Respiratoires" eo anivon'ny CENHOSOA izay tarihin’i Médecin Lieutenant-Colonel REBASY Lazatiana.
Tanjona amin'izao fiofanana izao ny hanatsarana ny fitsaboana ireo marary manana fahasarotana amin’ny taovam-pisefoana, indrindra ireo azo tsaboina amin’ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana "Ventilation Non Invasive"(VNI).
Nifarana tamin’ny fanomezana fitaovana maro samihafa ho fanohanana ny asa sy ny tolotra ara-pahasalamana ny fiofanana ka anisan'ny nahazo tombony tamin'izany ny sampan-draharaha "Service des Maladies Respiratoires", ny "Service des Urgences", ny "Service de Réanimation" ary ny "Service des Maladies Cardio-vasculaires" ny CENHOSOA. Zava-dehibe ny fiombonan-kery toy izao eo amin’ny toeram-pitsaboana sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatry ny ara-pisefoana.
Ity fiofanana ity dia teo ambany fitarihan'Andriamatoa Tale Teknikan'ny CENHOSOA, ny Médecin Général de Brigade RANDRIANTSARA Iharijaonaniaina Joe. Namafisiny fa ny Minisiteran’ny Foloalindahy dia manohana tanteraka ny ezaka rehetra hanatsarana ny fikarakarana ny marary, ny fanofanana ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny fanavaozana sy fanatsarana ny fitaovana enti-miasa eo anivon'ny CENHOSOA.