Nitsidika ny Toby " Jeneraly RAVELOSON MAHASAMPO" izay misy ny "Bataillon Infanterie" Toliara ankehitriny ny Kolonely RANDRIANIRINA Mickaël, Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara" ny zoma 28 novambra 2025.
Nandrafitra ny delegasiona niara-dia taminy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré sy ireo Tompon'andraikitra ambony mpiara-dia amin'Andriamatoa Filoha. Tonga nanotrona ireo vahiny mana-kaja kosa ny Kolonely DAFITSE Pierrot, Komandin'ny Fari-piarovana sy Filaminana Fiherenana sy ireo Tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Hery Fiarovana sy Filaminana na "Force de Défense et de Sécurité" ao Toliara. Mialoha izao fitsidihina izao dia efa nisy ny fitsenanana ireo olo-manan-kaja teny amin'ny seranam-piaramanidina ka nandray azy ireo tamin'izany ireo tomponandraikitra ara-panjakana ifotony, nahitana ny solontena eo anivon'ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Lehiben'ny Prefektiora, ny solontenan'ny Ben'ny Tanana ambonivohitra Toliara sy ireo olomanan-jaka maro samihafa avy any an-toerana.
Nandritra izao fitsidihina izao no nitsirihina ireo fotodrafitr'asa nohavaozina sy nohatsaraina tao amin'ny Toby ka nanehon' ny Filoham-panjakana fankasitrahana tamin'ny asa sy ezaka vita. Raha tsiahivina dia efa Komandin'ity "Bataillon" ao Toliara ity ny Filoham-panjakana telo taona lasa izay. Nofaranana tamin'ny fanoratana ny boky volamenan'ny " Bataillon Infanterie" Toliara izao fitsidihina izao.