Photo

𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘

Tontosa ny alatsinainy marainan'ny 17 novambra 2025 tao amin'ny efitrano fivorian'ny Minisiteran'ny Foloalindahy ny famindram-pitantanana ara-kasa telo sosona eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy.
Voalohany tamin'izany ny famindram-pitantanana teo amin'ny Amiraly ASSANY Bemarivo Jeannot, Sekretera Jeneraly teo aloha sy ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina voatendry ho Sekretera Jenelarin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy vaovao.
Taorian'izay no nanaovana ny famindram-pitantanana teo amin'ny Fitaleavana jeneralin'ny teti-pivoarana stratejika (DGPS), nifanaovan'ny Jeneraly RAKOTONANDRASANA René Bruno izay nosoloin'i Jeneraly ROBENARIMANGASON Herimamy toerana.
Namaranana izany fotoana androany izany ny famindram-pitantanana teo amin'ny Jeneraly ANDRIAMASIMANANA William Michel sy ny Jeneraly RAHARIJAONA Faly Michel izay voatendry ho Tale Jeneralin'ny Fitaleavana Jeneralin'ny Ratsamangaikan'ny Fiarovana (DGOD).
Nandritra ny lahateny nataony dia nisaotra ireo lehibe isan'ambaratonga ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny foloalindahy vaovao izay nitondra ny teny avy amin'ireo telo mirahalahy izay voatendry ary niantso ihany koa ny fiaraha-miasa sy fanomezan-tanana avy amin'ny rehetra entina hanatanterahana ny asa eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy.
Tetsy ankilany dia nohamafisin'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely ny voaresaky ny Filoham-panjakana tamin'ny fahitalavitra ny fimasoan'ny foloalindahy amin'ny fametrahana ny fandriampahalemana izay andraindrain'ny malagasy amin'izy ireo. Notsindrin'Andriamatoa Minisitra ihany koa ny hanatanterahana farany izay aingana ny fikaonan-dohan’ny Tafika (assises militaires) hahafahan'ny foloalindahy mandray anjara ihany koa amin'ny fikaonandoham-pirenena.
Noatitrateriny ny fampisehoana hatrany ny firaisankina eo amin'ny foloalindahy sy ny fanehona amin'ny vahoaka hatrany fa mendrika hitokisana ka haneho hatrany fiarahamientana mba ahafahana manatanteraka izany adidy sy andraikitra nankinina izany. Tsy adinon'Andriamatoa Minisitra ihany koa ny nisaotra sy nankasitraka ny asa vitan'izy telo mirahalahy izay nisoloana toerana tamin'ny asa goavana vitan'izy ireo teto amin'ny Tafika Malagasy ary nirary soa azy ireo amin'ny adidy sy andraikitra mbola miandry azy ireo.
Nanotrona izao famindram-pitantanana izao ny Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ireo tomponandraikitra isan'ambarantogany eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Zandarimariam-pirenena, ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ireo Lehiben'ny Etamazaoro telo toko ary ireo mpiara-miasa miaramila sy sivily eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy.