Photo

𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐒𝐄𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓, 𝐅𝐀𝐌𝐎𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐕𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟒𝟔 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟐𝟕

Tontosa ny zoma 31 oktobra 2025 tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe ny lanonana ara-miaramila "FANDRESENA" famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo mpianatra ho Manamboninahitra 85 mianadahy avy amin'ny andiany mivantana faha- 46 misalotra ny anarana "Général de Corps d'Armée RAZAFITOMBO Léon Evariste" sy ny andiany manokana faha- 27 nisalotra ny anarana "Masoalina". Nitarika izany lanonana ara-miaramila izany ny Komandin'ny sekoly, ny Jeneraly RATSARAHEVITRA Andriamisetra. Notsofina rano ihany koa ny andiany mivantana faha 47, nampitondraina ny anarana "VASIA", ny andiany iraisam-piadiana faha 22, nomena ny anarana "60ème Anniversaire de l'Academie Militaire". Nitohy tamin'ny famindrana ny sabatra teo amin' ny Ombimangan'ny andiany zoky sy ny Ombimangan'ny andiany mivantana zandry ny lanonana izay mariky ny fanajana sy fanohizana ny soatoavina sy ny fomba amam-panao, teo ihany koa ny famindrana ny mpiambina ny fanevan'ny sekoly. Miditra tanteraka amin'ny sata maha- Manamboninahitry ny Foloalindahy malagasy azy ireo ireto andiany vao nivoaka ireto, ary nomarihina tamin'ny fametrahana ny galonan'izy ireo izany. Namaranana ny lanonana teo amin'ny "Place d'armes" ny matso notontosan'izy ireo. Nanome voninahitra ity lanonana ara-miaramila ity ireo Mpanolo-tsaina avo eo anivon'ny Komity ambonin'ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RABEARIMANANA Lucien, ny Mpitsabo Kolonely ZAFITASONDRY Marcellin, ny Kolonely Kolonely RAPANARIVO Thierry ary ny KolonelyANDRIAMIARISOA Gervais, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police, ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, ny Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly BAMA Marima ary ireo Minisitra maro eo anivon'ny Governemanta. Nanotrona izao lanonana izao ihany koa ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Demosthène, ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly NONOS Mamelison Mbina, ireo Tomponandraikitra isan'ambaratongany eo anivon'ny minisitera sy ireo etamazaoro ary ireo olom-panjakana maro eto amin'ny firenena sy ny faritra Vakinakaratra ary ireo Tompon'andraikitra ny fiarovana eo anivon'ireo Masoivoho vahiny eto Madagasikara. Taorian'ny lanonana famoahana ireo Manamboninahitra dia niroso tamin'ny fametrahana ny vato fototry ny fanatsarana sy fanitarana ny "Place d'Armes" sy ny "Infirmerie" ny Manam-pahefana rehetra. ‌Nandritra ny fandraisam-pitenenana nifandimby tao amin'ny efitrano Farimbona, nialoha ny fiaraha-miala hetaheta dia nanamafy ny ezaka sy fikirizana nasehon'ireto mpianatra ny Komandin'ny Sekoly Miaramila ary nitso-drano azy ireo amin'ny ho tohin'ny asa aman'andraikitr'izy ireo. Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny firaisa-kinan'ny Foloalindahy sy ny fanajan'ireto Manamboninahitra vao nivoaka ireto ny fahitsiana (intégrité) amin' ny fanatanterahan'izy ireo ny asa miandry azy ireo nanaraka izany ny Minisitry ny Foloalindahy. Nanamafy izay firaisa-kina izay ihany koa ny Mpanolo-tsaina avo ho an'ny fanarenana ny Repoblika, ny Kolonely Rabearimanana Lucien, ka nanipika fa ilaina tokoa ny firahalahiana sy ny firaisan-kina. Nanao antso avo ho an'ny mpiray Tanindrazana ihany koa izy mba hanjaka hatrany ny tena fitiavan-tanindrazana ka hahatanteraka izany Madagasikara tena mandroso izany.