Photo

𝐓𝐎𝐍𝐓𝐎𝐒𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘

Tontosa ny alarobia 29 oktobra 2025 teto amin'ny efitra fivoarian'ny Minisiteran'ny Foloalindahy Ampahibe ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Foloalindahy teo aloha, ny Général de Division DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo sy ny Minisitry ny Foloalindahy vaovao, ny Général de Division, RAZAFITOMBO Maminirina Ely araka ny didim-panjakana laharana faha 2025-1114 noraisina ny 28 oktobra 2025. Nitso-drano ny Minisitra teo aloha nandritra ny lahateny izany nataony, ary naneho ihany koa ny teny fankasitrahana amin'ireo mpiara-miasa taminy tamin'ny asa izay nataon'izy ireo. Tetsy ankilany dia nisaotra tamin'ny fahatokisana izay napetraka taminy ny Minisitra vaovao amin'izao fanendrena azy izao ary nampita ihany koa ireo hafatra avy amin'ny Filoham-panjakana ho an'ny Foloalindahy, ka ny voalohany dia ny hanamafisana ny firaisankina eo amin'ny Foloalindahy malagasy, ny faharoa dia ny fanovana ny rafitra mba hoentina miatrika ireo ambana avy ao anatiny sy avy any ivelany ary ny fahatelo dia ny fametrahana ny tany tan-dalàna izay andrasan'ny vahoaka amin'ny Foloalindahy, ka anisan'ny fitakiana nataon'izy ireo teny an-kianja. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena vaovao, ny Jeneraly BAMA Marima, ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, ireo Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika telo toko, Loholona ary ireo Manamboninahitra isan'ambaratonga eto amin'ny Minisitera sy ny Etamazaoro ary Minisitry ny Foloalindahy sy Minisitry ny fiarovana teo aloha. Teo ihany koa ireo andiany faha-19 mpiray tarika amin'ny Minisitra vaovao sy ny andiany hafa nanotrona.