Photo

𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐇𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐄𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐁𝐎𝐈𝐍𝐀

Mitohy hatrany ny fanampiana ireo mpiray Tanindrazana tra-boina any amin’ny faritra Atsinanana noho ny fandalovan'ny rivo-doza GEZANI. Ankoatra ny fanomezan-tanana amin'ny fanadiovana ny tanana dia nanatanteraka hetsika fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana tao amin'ny fokotany Vohitsara Toamasina ny avy eo anivon'ny Bataillon Médical Ampahibe sy ny FSFA2 Toamasina na ny "Formation Sanitaire des Forces Armées N°2" ny alatsinainy 23 febroary 2026. Olona miisa 360 no noraisina an-tanana sy afaka nisitraka izany fizaham-pahasalamana maimaimpoana izany. Ny Tafika dia miezaka hatrany manakaiky ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanomezan-tanana sy fanampiana ao anatin'ny vanim-potoana sarotra tahak'izao. Mankahery hatrany ireo miaramila eny an-kianja, miasa andro aman'alina manampy ny mpiray Tanindrazana🇲🇬 ihany koa ny eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy.