Manaraka famelabelaran-kevitra sady fiofanana mahakasika ny fiarovana amin'ny asa ratsy an'habaka (Cybersécurité) ireo tomponandraikitra sy mpiasa sivily sy miaramila eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ireo Etamazaoro isan-tokony ny zoma 20 febroary 2026 ao amin'ny Ivon-toeram-pifandraisana ao amin'ny MFA Ampahibe. Iaraha-miasa amin'ireo miaramila mpampiofana Indiana ity famelabelaran-kevitra sady fiofanana ity. Nanokatra ny fotoana tamin'ny fomba ofisialy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina izay nanamafy ny maha- zava-dehibe izao famelabelarana izao mba entina mampihatra izany amin’ny asa andavanandro, ho fiarovana ny asa eo amin’ny Minisitera sy ireo Etamazaoro telo toko. Notsipihiny ihany koa fa tsy safidy intsony ny fiarovana amin’ny asa ratsy an’habaka, fa andraikitra tsy maintsy atrehina sy paikady fiarovana tsy maintsy raisina. Adidy sy paikady iarahan’ny rehetra izany, satria mahakasika ny mpampiasa rehetra ny rafitra, na inona na inona andraikitra sy laharana iandraiketan’ny tsirairay, hoy hatrany izy. Namaranany ny fandraisam-pitenenany dia naneho ny teny fisaorana ho an'ireo miaramila mpampiofana Indianina ny tenany. Tarihin'ny Kolonely DEVASHISH izany delegasion'ny mpampiofana izany, izay miaara traikefa sy fahaiza-manao avo lenta eo amin’ny sehatry ny fiarovana amin’ny asa ratsy an’habaka eo amin’ny sehatra ara-miaramila. Porofo mivaingana amin’ny fifandraisana matanjaka sy ny fifampitokisana misy eo amin’ny Tafika roa tonta moa izao fiaraha-miasa izao.
Tanjona amin'izany ny hanamafisana ny kolontsaina sy fahalalana momba ny fiarovana amin’ny asa ratsy an’habaka eo amin’ny sehatra ara-miaramila, hampitomboana ny fahaiza-manao tokony hananana manoloana ny loza ara-kajy mirindra, hampahatsiahivana fa tsy miankina amin’ny teknolojia fotsiny ny fiarovana ny rafitra ara-kajy mirindra, fa indrindra amin’ny fitondran-tenan’ny olombelona.