Photo

𝐄𝐍𝐒𝐎𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐁𝐄 : 𝐍𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀𝐒𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐒𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘

Ankoatra ny famoahana ireo mpiofana Manamboninahitra Lefitra sy ny fankalazana ny andron'izy ireo ny 1er février dia nitsidika fotodrafitrasa navaozina sy nohatsaraina ihany koa ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely sy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène. Niaraka tamin'izy ireo tamin'izany ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Etamazaoron'ireo Tafika. Anisan'ny fotodrafitrasa natsangana ny trano fisakafoanan'ireo mpiofana na ny « réfectoire » ary teo ihany koa ny fanavaozana ny efitrano fatorian'ireo mpiofana. Anisan'ny vaovao amin’izany ny fandriana sy ny kidoro miaraka amin’ireo kojakoja mifandraika amin’izany izay natao handraisana ireo mpiofana Manamboninahitra Lefitra vehivavy. Marihina fa hotanterahina ato ho ato ny fifaninana Manamboninahitra Lefitra ahafahan'ny vehivavy mandray anjara ary efa vonona ny fotodrafitrasa ho azy ireo. Miavaka ny fanovana hita ao amin’ity sekoly ity satria dia nametrahana « cameras de surveillance » sy « alarmes » ny any an-toerana mba hanaraha-maso ny zavatra mitranga rehetra ao anatiny sy manodidina ny toerana. Ezaka manokana nataon’ny Sekolin'ny Manamboninahitra Lefitra ao Antsirabe izy ity mba hametrahana ny filaminana. Taorian’izany fitsidihana ireo fotodrafitrasa ireo dia nisy fizahana ny fiompiana trondro, izay toerana natao faka tahaka ao amin’ny Ensoa Antsirabe. Tonga tao ny Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena manga, CHAN KIT WAYE Jaco, izay sady nizaha ny fomba hiaraha-mifanampy amin’ny Tafika amin’izay sehatry ny toeram-piompiana trondro izay. Marihina fa ankoatra ny fiompiana dia ahitana toeram-panatavezana trondro, toerana mpamokatra zana-trondro sy toeram-piofanana ihany koa any an-toerana. Tsy vitan’izay fa misy ihany koa ny karazana fambolena legioma izay mifanaraka tsara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nisy ihany koa ny fizahana ny loharanon'angovo maharitra na « biogaz ». Io indray dia famadihana ny fako ho lasa entona fandrehitraka afaka andrahoin'ireo miaramila sakafo ao amin'ny toby. Paikady enti-miady amin'ny faharipahan'ny ala sy ho fiarovana ny tontolo iainana hatrany no tanjona satria ny miaramila dia anisan'ny mampiasa kitay ka ho fanenana izany no nametrahana ity toby « biogaz » ity. Ankoatra izany dia nahazo fitaovana fikirakirana hazo na "machine à bois combiné", "machine broyeur aliment" "groupe électrogène" ary koa fitaovana maro samihafa entina mampianatra toy ny "vidéo projecteur", "jumelle" ary "boussole" avy amin'ny mpiara- miombon'antoka frantsay ny Sekoly. Nanolotra izany ny Tomponandraikitry ny Fiarovana eo anivon'ny Masoivoho Frantsay🇨🇵, ny Kolonely Emmanuel DEVEAUD. Nanamafy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely fa zava-dehibe ny fisian'ny fotodrafitrasa tahak'izao ary nidera ny ezaka sy ny zava-bitan'ny Sekoly. Ny fananganana fotodrafitrasa tahak'izao hoy izy dia mitondra mankany amin'ny fanatsarana sy fametrahana Tafika moderna. Nankasitraka ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ihany koa ny tenany tamin'ny fanampiana sy fanolorana fitaovana izay entina manatsara ny sekoly. Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpiara-miombon'antoka ny fihetsika tahaka izao hoy hatrany izy. Eo am-panaganana ny dobo filomanosana ihany koa ny Sekoly ankehitriny.