Nanatanteraka hetsika ho fitsinjovana ny vahoaka ny Sampan-draharaha Rezionalin'ny Fitsaboana Miaramila any Mahajanga (SRSM) ny alahady 1 febroary 2026 lasa teo taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Fytia. Olona miisa 186 no noraisin'izy ireo an-tanana ka ny 130 vehivavy ary ny 56 lehilahy. Izany hetsika izany dia notanterahina tao amin'ny EPP FIOFIO Mahajanga, ka nahitana ankizy niisa 47 ary olon-dehibe 139.
Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin'ny ezaky ny Minisiteran'ny Foloalindahy amin'ny fanakaikezana ny vahoaka. Ny Fitaleavana ivon'ny fiandreketana ny fahasalamana ara-miaramila (Direction Centrale du service de santé militaire) no mandrindra izany, izay eo ambany fiahian'ny Fitaleavana jeneralin'ny ratsamangaikan'ny fiarovana (Direction Générale des Organismes de défense).