Photo

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐋𝐄𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀

Nankalaza ny andro natokana ho azy ireo ny Manamboninahitra Lefitra miasa eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy🇲🇬 ny alahady 01 febroary 2026. Natomboka tamin'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin'ny "Chapelle Militaire" Ampahibe izany ka nitondrana am-bavaka ny firenena sy ny Foloalindahy. Nitohy tamin'ny fananganan-tsaina teo amin'ny Minisitera ny fotoana narahin'ny firedonana ny hiram-pirenena sy ny hira fanevan'ny Sekolin'ny Manamboninahitra Lefitra nifarana tamin'ny fiventesana ny voadin'ny Manamboninahitra Lefitra. Araka ny fomba amam-panao dia nisy ny fanolorana gisa natolotr'ireto Manamboninahitra Lefitra ireto ho an'ireo Lehibe nanotrona izao fankalazana izao. Nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina izay niarahaba azy ireo amin'ny fankalazana ny 1 febroary. Nampatsiahiviny fa ny Manamboninahitra Lefitra no kitro ifaharan'ny fibaikona eto anivon'ny Tafika, mahavelombolo ihany koa hoy izy ny firaisan-kina sy ny fahavononana asehon'izy ireo amin'ny asa sy andraikitra sahanin'ireo Manamboninahitra Lefitra eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy. Nanotrona izao fankalazana izao ihany koa ny Tale Jeneralin'ny Fitaleavana jeneralin'ny teti-pivoarana stratejika (DGPS) sy ny Kolonely Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny fiofanana sy ny fanofanana. Raha tsiahivina dia 30 taona katroka no nankalazana izao andron'ny Manamboninahitra lefitra izao satria ny 1 febroary 1996 no nanombohana ny fankalazana voalohany ka nahatonga izao andro izao ho marihina sy tsarovana isan-taona.