Nitohy ny tolakandron'ny 13 febroary 2026 ny fanalana ireo hazo nidaboka nibahana ny fifamoivozana teo amin'ny lalam-pirenena faharoa (RN2) eo Tanandava. Ireo miaramila mpamonjy voina ao amin'ny 1ère Compagnie d'Intervention Spécialisée nampian'ireo Mpitandro filaminana any an-toerana no nanatontosa izany. Tafiditra hatrany ao anatin'ny fanomezan-tanan'ny Foloalindahy ho an'ny tra-boina sy fanokafana ireo lalana tapaka izao hetsika izao, ary mifanaraka amin'ny "Foloalindahy manakaiky vahoaka".