Photo

𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐇𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐄𝐍𝐇𝐎𝐒𝐎𝐀

Notontosaina ny zoma 9 janoary 2026 ny fanolorana fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio (forage) ao amin'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana. Nanatanteraka izany ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely sy ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Ramatoa RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Elia niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Hopitaly CENHOSOA, ny Jeneraly Profesora RATOVONDRAINY Willy.Nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène sy ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Minisitera roa tonta.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Minisitra no nisaorany sy nankasitrahany manokana an-dRamatoa Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ny famaliana ny antso natao ka nahafahana nametraka izao fotodrafitrasa izao. Zava-dehibe ho an’ny Hopitaly fa indrindra ho an’ny vahoaka Malagasy tokoa izao satria maro ireo olona manaraka fitsaboana eo anivon’ny CENHOSOA ary hanamaivana ny filana mahakasika ny rano ity "forage" ity. Nambarany fa efa an-taonany maro no nisedra olana tamin’ny famatsiana rano ny Hopitaly fa ny taona 2023 no tapaka tanteraka izany. Nampisy fiantraikany be tamin'ny resaka fitsaboana sy fandraisana an-tanana ireo marary araka izany ity olan’ny rano ity satria miantoka ny fahadiovana sy ny fampandehanan-draharaha rehetra izay zava-dehibe eo amin'ny sehatry ny fitsaboana ny rano madio. Ankehitriny kosa dia voavaha amin’ny ampahany ny olana ary mbola maniry hatrany ny hitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta ny tenany, ka anatin'izany ny mbola ho fanampiana ny famantsian-drano (forage) mba hamaliana tanteraka ny filàna misy eo anivon’ny Hopitaly.


Marihina fa 10m3 ny rano afaka vatsian’ity fitaovana ity izay mamaha ny roa ampahatelon’ny filana eo anivon’ny hopitaly satria miisa 700 fandriana mahery eo no misitraka izany.