Photo

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘: 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐁𝐋𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀

Tontosa ny sabotsy 10 janoary 2026 teny amin’ny lapam-panjakana Ambotsirohitra ny fiarahabana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, RANDRIANIRINA Michaël sy Andriamatoa isany Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika notontosain'ny teo anivon’ny Foloalindahy. Nandritra izany fiarahabana izany dia naneho ny fahavononana hanatanteraka am-pahitsiana ny adidy napetraka tamin’izy ireo n'y avy ao amin'ny Foloalindahy, indrindra ny fametrahana ny fandriam-pahalemana sy filaminana. Ny Ministry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely no nandray fitenenana nisolo tena ireo mpiara-miasa avy amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Etamazaon'ireo Tafika. Tetsy ankilany dia nanambara ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa maneho fahavonona hiara-mandroso izao fahatongavan’izy ireo izao ary mahavelom-panantenana indrindra ao anatin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao. Niantso hatrany ny fifanohanana eo amin’ny Foloalindahy ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mba ho reharehan’ny Tafika ny fitondrana misy ankehitriny ary nanome toky ny tenany fa tsy hanala-baraka ny Tafika amin’izao fitondrany izao.