Niarahaba ireo mpiara- miasa aminy rehetra eo anivon’ny Minisitera ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, nandritra ny fananganan-tsaina voalohany niarahan'ny rehetra ny alatsinainy 5 janoary 2026. Nanolotra ny firariantsoa ho an’ny mpiara-miasa izy ka nirary mba hitondra fahombiazana, fifaliana ary fahasalamana ho an'ny tsirairay ny taona vaovao ka ahafahana manatanteraka ny asa ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny vahoaka malagasy. Manentana ny rehetra ihany koa ny tenany amin’ny fitohizan'ny fiaraha-miasa, ny fahafoizan-tena ary ny firaisan-kina eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy manoloana ireo fanamby samihafa miandry amin'ity taona 2026 ity.
Nisy ihany koa ny fampahafantarana sy fanoroana ny tokony atao manoloana ny valan'aretina nendran-drajako nentin'i Professeur Colonel Randriatsarafara Fidiniaina Mamy.
Taorian'ny fananganan-tsaina dia niroso tamin'ny vavaka iraisam-pinoana tao amin'ny "Chapelle Militaire" ny rehetra hitondrana am-bavaka ny taona vaovao 2026 sy ny firenena. Lohahevitra tamin'izany ny hoe : "Foloalindahy voaantson'Andriamanitra.