Photo

𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐏𝐀𝐊𝐀 𝐄𝐍𝐘 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny alatsinainy 26 janoary 2026 tao amin'ny « Centre de Conférence Internationale » Ivato ny fikaonandohan'ny Tafika Malagas, ka nandritra izany lanonana izany no nampahafantarana ny tanjona tiana hotratrarina sy ny tetiandro ary ny dingana rehetra holalovana alohan'ny hifampizarana ny fehin-kevitra farany. Vinavinaina ny hifarana ny faran'ny volana febroary izany fikaonandohan'ny Tafika izany. Nanokatra ny lanonana tamin'ny fomba ofisialy ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël sy ireo Mpanolotsaina avon'ny fanavaozana niaraka tamin'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely ary ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène.
Nanotrona izany ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ary ireo tompon'andraikitra sivily sy miaramila maro. Mandray anjara feno amin'izao fikaonandoha izao ireo lehibe isan'ambaratongany, ny rantsamangaikam-pibaikoana rehetra eo anivon'ny Tafika, ahitana ihany koa ny solotena avy amin'ny galona rehetra na am-perinasa izany na ireo izay efa misotro ronono.
Tanjona lehibe amin'izao fikaonandoha izao ny hanangonana ireo torolalana stratejika sy hamaritana ireo lalan’asa ho an’ny ho avin’ny Tafika, ny fandraisana ireo mety ho fanavaozana sy fandinihana ireo tolo-kevitra azo tanterahina, ny fanamafisana ny firaisan-kina sy ny fe-pifehezana ao anatin’ny Tafika ary ny famolavolana drafitra sy tondrozotra mazava. Eo ihany koa ny hananana vina iray itoviana eo amin’ireo mpitarika sy mpikambana rehetra eo anivon’ny foloalindahy. Io vina io no hitarika ny fanovana rehetra hatao izay hokendrena hifanaraka amin’ny fanavaozana misy eto amin’ny firenena sy ny vanim-potoana iainana ankehitriny maneran-tany.

Nandritra ny kabary fanokafana izao fikaonandohan'ny Tafika izao dia nanambara ny Filohan'ny fanavaozana fa misy ny fanitsiana mila tontosaina izay tsy azo hiodivirana. Ny Tafika milamina no antoky ny firenena milamina hoy hatrany izy, izay tafiditra ao anatin’ireo tari-dalana telon'ny politika ankapoben'ny Fanjakana ho fanavaozana. Nambarany ihany koa fa hatao laharam-pahamehana ny fampitaovana ny Tafika Malagasy, indrindra ny Jenia Miaramila ahafanany miasa ho fanamorana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, ka anisan'izany ny fanamboarana ireo lalan-dratsy mba hanampy ny fivoahan'ireo vokatra any amin'ny toerana saro-dalana.

Nandritra ny lahateny naroson' Andriamatoa Minisitra ihany koa no nanindriany fa fotoana lehibe sady manan-tantara ny lanonam-panokafana satria fanombohan’ny fanavaozana lehibe eo anivon’ny Tafika. Araka izany dia miompana tanteraka amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena, ny fametrahana ny filaminana anatiny sy ny fanakaikezana ny vahoaka ary ny fampivoarana amin’ny sehatry ny maha- matianina ny Tafika ny tari-dalana miainga avy ao amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy. Eo ihany koa ny fiarovana ny sisin-tany sy ny fametrahana ny fotodrafitrasa manaraka ny vanim-potoana ankehitriny satria maro ny ambana na anatiny na ivelan'ny firenena. Anisan'ny dingana mankany amin'ny maha- matianina ny Tafika izao fikaonandoha izao. Manantena aho hoy izy fa hanao fifampizarana an-kitsipo sy am-pirahalahiana tanteraka ny rehetra ao anatin’izany. Namafisiny fa efa nandalo fanitsian-drafitra ny Tafika ka misy no efa tanteraka ary misy ihany koa ny mila havaozina mba hifanaraka amin'ny vanim-potoana ankehitriny. Tsiahivina fa ny taona 2009 no nanatontosana ny fikaonandoha farany ny teo anivon’ny Tafika Malagasy.