Photo

𝐂𝐄𝐍𝐇𝐎𝐒𝐎𝐀 : 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐅𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐈𝐙𝐀-𝐌𝐀𝐍𝐀𝐎𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐁𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐙𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀

Nanaraka fiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao mahakasika ny fandraisana an-tanana ny vonjy taitra (Emergency Room trauma course) momba ny zaza ireo mpitsabo eo anivon'ny Sampandraharaha fitsaboana ny ankizy sy ny zaza voateraka ao amin'ny CENHOSOA, ny 11 aprily 2026. Ny fiofanana izay notanterahina teo anivon'ity Sampandraharaha ity dia niarahana tamin'ny mpitsabo mivondrona ao anatin'ny fikambanana "La Chaîne de l'espoir", tarihin'i Ramatoa Celia NOGUERA ACOSTA, "Cheffe de Mission de La Chaîne de l'Espoir à Madagascar". Ankoatra ny fiofanana sy fizarana traikefa dia nampianatra ny fampiasana ny fitaovana vaovao toy ny "Chariot d'urgence" ihany koa ireto mpitsabo avy amin'ny fikambanana « La Chaîne de l'espoir» ireto. Nampita ny teny fisaorana ireto mpitsabo vahiny ireto ny Kolonely ANDRIANIRINA Zafitsara Zo, Lehiben'ity Sampandraharaha ity. Nambarany fa zava-dehibe amin'ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny vonjy taitra izao fiofanana sy fizarana traikefa izao.