Notontosaina teo amin'ny morontsirak'i "Cap La Houssaye" ny fandefasana Miaramila hampandry tany avy any anaty sambo lehibe "Dixmude" ary notaterina tamin'ny fiara Miaramila tsy laitran'ny bala antsoina hoe "griffons" ny talata 24 martsa, ho fanohizana ny sarinady iraisam-pirenena sy iraisam-piadiana "Papangue 2026" tao La Réunion.
Ny tolakandro dia nisy ny fandatsahana an'elonaina notontosaina teny amin'ny toerana fanaovana izany tao "Saint-Pierre" izay nandraisan'ny Tafika frantsay, malagasy, avy any Seychelles, Maurice ary Comores anjara. Nisy moa ny filatsahana tamin'ny elonaina entin'olo-tokana ary nisy ny nandeha roa na "tandem", ka anisan'ny nilatsaka tamin'ity faharoa ity ilay mpiantsehatra eo amin'ny tambajotra-tserasera Malagasy🇲🇬 malaza, Aaron Ramanase. Taorian'izay dia natao sary naratra izy ka notsaboina sy notaterina tamin'ny fiara mpitatitra marary tsy laitran'ny bala, nafindra tamin'ny angidimby ary nentina teny amin'ny sambo lehibe "Dixmude" mba hotsaboina. Ankoatra ny filatsahana an'elonaina dia nisy ihany koa ny fampiasana "drones" ho fisavana lalana ireo toerana tokony alehan'ny Miaramila sy ny Tafika. Malagasy moa no nikirakira ireto fitaovana ireto ka nanao fampisehoana izany fahaiza-manao izany izy ireo teo imason'ireo manam-pahefana avy amin'ny firenena samihafa.
Teny amin'ilay sambo lehibe "Dixmude" ihany no nanatontosana ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety ny tolakandro sy nanaovana ny lanonana fiarahana tamin'ireo mpiantsehatra amin'ny Tafika an-dranomasina avy ao La Réunion sy ny mpiasa ao anatin'ny sambo ary ireo vahiny sy tompon'andraikim-panjakana tany an-toerana. Ity sambo lehibe ity moa dia mahatratra 2050 taonina ary afaka mitondra sambo mpitondra fiara roa ao anatiny, fiara marobe, angidimby maromaro ary mahatratra 600 ny olona miasa ao anatiny andavanandro. Ampiasaina amin'ny fanaterana ireo fitaovana ireo sy ny fanaterana Miaramila frantsay🇫🇷 amin'ny toerana ilana izany izy ity.
Nomarihin'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika malagasy, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène nandritra ny lahateny famaranany fa manan-danja izao sarinady izao satria manamafy ny traikefan'ny Miaramila tsirairay sy ny Tafika misy azy ireo, ary manamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Tafika Malagasy sy Frantsay. Ny Jeneraly De Monicault, Komandy ambonin'ny Foloalindahy aty amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Ranomasimbe Indiana (FAZSOI) koa dia nanamafy izay fiaraha-miasa eo amin'ny Tafika rehetra eo anivon'ny Ranomasimbe Indiana izany izay ilaina tokoa noho ny ambana maro eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ara-paritra misy amin'izao fotoana izao. Nisy ihany koa moa ny fandraisana anjaran'ny Mpahandro Malagasy matihanina, Cheffe Morretti Henintsoa, izay nampiseho ny haify Malagasy nandritra ny lanonana notontosaina tao amin'ny sambo lehibe "Dixmude".