Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny alatsinainy 23 martsa 2026 tao amin'ny " Lycée" Tsararivotra Ambatofotsy ny fampirantiana mitety Sekoly ho fanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-79 taonan'ny tolom-panafahana nataon'ireo mpiady tia tanindrazana.
Anisan’ny mampiavaka ny hetsi-pahatsiarovana ny fampitana amin'ireo taranaka ny tolona nataon'ireo mpiady tia tanindrazana mba hamelomana ao am-pon'izy ireo ny afon'ny fitiavan-tanindrazana araka ny tara-kevitra hoe: « Tolom-panafahana : fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana ».
Natomboka tamin’ny fampiakaran-tsaina sy ny firedonana ny hiram-pirenena ny fotoana, narahan’ny hiran’ny tolom-panafahana izay nataon’ireo mpianatra eo anivon’ny sekoly. Nitohy tamin'ny seho maneho ny maha- Malagasy sy ny famakiana ny tononkalo mampahatsiahy ny fitiavan-tanindrazana nataon'ireo mahery fo ny fotoana, niaraka tamin'ny kabary manentana ny hetsi-pahatsiarovana nataon'ireo mpianatra eo anivon'ity Sekoly ity.
Nifarana tamin'ny fampirantiana an-tsary sy fijerena sarimihetsika mirakitra ny tolona nataon'ireo mahery fo sahy nisedra ny mafy ho an'izany fahafahana izany ny hetsika.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana nifandimby nataon’ireo tomponandraikitra avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sady tompon'andraikitra eo anivon'ny "Office de l'Education de Masse et du Civisme (OEMC)" sy eo anivon'ny "Lycée" Tsararivotra no nanambaran'izy ireo fa anisan'ny fanehoana sy ny fanamafisana ny fitiavan-tanindrazana ny fandraisan' andraikitra ataon'ny tsirairay fa indrindra ny mpianatra, izay hoavin'ny firenena. Anisan’ny mamelona izany fitiavan-tanindrazana izany indrindra ny fahafantarana ny tantara mahakasika ireo tolona rehetra nataon’ireo mpiady tia tanindrazana hoy hatrany izy ireo.
Tsy adinon'izy ireo ihany koa ny nitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana ny eo anivon'ny Fitaleavana miahy ny Mpiady Tia Tanindrazana izay eo ambany fiahian'ny Minisiteran’ny Foloalindahy tamin'ny nahatanterahan'izao hetsika izao.
Mifanindran-dalana amin'izao hetsika izao ihany koa ny fampirantiana ny tantaran'ny tolom-panafahana 29 martsa natao tao amin'ny lisean'i Talatan'i Volonondry, izay nampahafantarana hatrany ny tantaran'izany tolom-panafahana izany.
Hita sy tsapa nandritra ireo fampirantiana ireo fa maro ireo mpianatra liana amin’ny tantaram-pirenena sy maneho ny fitiavan-tanindrazana amin'ny alalan'ny fandraisana anjara mavitrika tamin'izao hetsika izao.