Photo

𝐇𝐎𝐏𝐈𝐓𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐒𝐎𝐀𝐕𝐈𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀: 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐁𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎𝐌𝐀𝐌𝐈𝐀𝐃𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐈𝐕𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐉𝐀𝐋𝐘

Notontosaina ny zoma 10 aprily 2026 teny amin'ny Sampandraharaha fitsaboana ny homamiadana sy ny fanamaivan-jaly na ny " Service d'Oncologie et de Soins Palliatifs (S.O.S.P) " eo anivon'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana (CENHOSOA) ny fanolorana fitaovana ampiasaina amin'ny fitsabona ny homamiadana. Izany dia vokatry ny fanehoana fankasitrahana avy amin'ny marary iray, nisitraka fitsaboana tao amin'ity toeram-pitsaboana ity. Nanome voninahitra ny fotoana ny Tale Jeneralin'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, ny Profesora Jeneraly RATOVONDRAINY Willy niaraka tamin'ny Tale Jeneraly Lefitra, ny Tale Teknika, ary ny Lehiben'ny Sampandraharaha S.O.S.P. eo anivon’ny CENHOSOA. Nanotrona izao fotoana lehibe izao ihany koa ireo mpiasa sy ny marary manaraka fitsaboana eo anivon'ity Sampandraharaha ity ary ny fikambanana « Ho Salama » izay mpiara-miasa akaiky amin’ny sampandraharaha. Marihina fa nisy ny lanonana lehibe na « Soirée de Gala » nantsoina hoe « Gratitude en chanson » nokarakarain'i Ramatoa RABENANTOANDRO RATRIMOSOA Oly sy ny fianakaviany tamin’ny volana febroary 2026. Ny vola voaangona tamin’izany no nahafahan’izy ireo nanolotra izao fitaovana hanampiana ny sampandraharaha. Miisa 10 ireo karazana fitaovana natolotra toy ny "Déambulateur, Pousse-seringue électrique, Bassin de lit, Matelas anti-escarre, Chaise roulante, Fauteuil pour chimiothérapie, Chariot de soins, Paravent 4 panneaux, Coussin orthopédique ". Teo ihany koa ny rindran-kajy ho fanampiana ny sampandraharaha amin'ny fitantanana sy ny fandrindrana ny fotoana, ny fakan-kevitra, ny fandaminana ny fanaovana «chimiothérapie», ary ny fanarahana amin’ny antsipiriany ny valin’ny fitiliana ara-pahasalamana. Nambaran'Andriamatoa Profesora Kolonely HASINIATSY Rodrigue, Lehiben'ny Sampandraharaha mitsabo ny Homamiadana sy ny fanamaivan-jaly fa vonona ny hampiasa sy hikajy izany fitaovana izany izy ireo satria tena manamaivana ny mpitsabo sy ireo marary ny fahazoana izao fitaovana izao. Nanamafy izany ihany koa ny Tale Jeneralin'ny CENHOSOA, izay nilaza fa tombony lehibe ho an’ny marary ary mampitombo ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana an-tanana ny marary izao. Nomarihiny fa miavaka ity Sampandraharaha ity satria ankoatran'ny fandraisana an-tanana ny marary dia raisina an-tanana manokana ihany koa ankohonan'izy ireo sy ny mpanohana ny marary. Anisan’izany ny fihaonana hifampizarana sy hifanakalozan-kevitra ary ny « réunion de paroles ». Ilaina izany noho ny faharetan'ny fitsaboana aman-taonany maro. Nisaotra sy nankasitraka ireto fianakaviana ireto amin'izao tolo-tanana izao ihany koa ny tenany. Nanentana ny rehetra izy mba hanao fitiliana hatrany, ahafahana mamantatra ny aretina. Rehefa voatily ara-potoana sy voatsabo ara-dalana ny homamiadana dia tsy voatery hitarika any amin'ny fahafatesana.