Photo

𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐌𝐁𝐀 𝐇𝐎 𝐌𝐄𝐍𝐃𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Niara-nanangan-tsaina tamin'ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely ny alatsinainy 30 martsa 2026. Nandritra izany no nampitany hafatra sy nizarany ny asa miandry ho an'ireo mpiara-miasa aminy amin'izao telo volana faharoa hodiavina izao, sy taorian'ny nanendrena azy indray amin'ny maha-Minisitra azy. Voalohany tamin'izany ny famitàna sy famaranana ny fikaonandohan'ny Tafika, manaraka izay ny fiatrehana ny "concertation nationale" ary ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ny 26 jona 2026. Betsaka ireo asa miandry sy manandrify ny tsirairay amin'izany, koa izany indrindra no nanomezany toromarika mba tsy hiraviravy tanana ny rehetra fa samy hanome hatrany ny tsara indrindra avy amin'ny tsirairay. Notsahiviny ihany koa fa mitodika amin'ny Foloalindahy ny mason'ny vahoaka malagasy ary mila mampiseho hatrany fa mendrika izany fitokisana izany ny ao anatin'ity andrimpanjakana ity.