Tontosa amim-boninahitra ny alahady 29 martsa 2026 teny amin'ny Fasan'ny Mahery fo (Mausolée) Avaratr'Ambohitsaina ny fanamarihana ny faha-79 taonan'ny tolom-panafahana 29 martsa 1947.
Nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo sy ny fampirehetana ny afo tsy maty. Nitarika izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël notronin'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly BAMA Marima.
Nanome voninahitra ny lanonana ihany koa ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, Andriamatoa Mamitiana RAJAONARISON sy ireo Lehiben'ny Andrimpanjakana, ireo Mpikambana eo anivon'ny Governemanta, ireo Olom-boatendry sy Olom-boafidy ary ireo Tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila.
Nandritra ny lanonana dia nisy ny famakiana tonokalo sy ny fampisehoana soradihy notontosain'ireo mpianatra avy ao amin'ny "Lycée Moderne Ampefiloha" ho fampahafantarana ny tantara. Nisy ihany koa ny fanolorana ny solombodiakoho ho an'ireo akanga sisa nanamborana ho fankasitrahana azy ireo noho ny heri-po sy fahasahiana nasehon'izy ireo mba hanafahana an'i Madagasikara teo ambany vahoan'ny mpanjanaka.
Taorian'izay dia nitohy teny amin'ny Tsangambaton'ny mahery fo Ambohijatovo ny fanamarihana ny faha-79 taonan'ny tolom-panafahana. Nandritra izany dia nisy ihany koa ny fametrahana fehezam-boninkazo nataon'ireo tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena notarihin'Andriamatoa Praiministra Lehiben'ny Governemanta ary nandraisan'ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy anjara. Nanamarika ny lanonana teny Ambohijatovo ihany koa ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo Ray aman-dreny mpahay tantara.
Ny lohahevitra nentina nanamarika ity fahatsiarovana ity moa dia "Tolom-panafahana : fanavaozana ny Fitiavan-tanindrazana". Fotoana lehibe sy manan-tantara ho an'ny firenena ny andron'ny 29 martsa 1947 hanomezam-boninahitra ireo mpiady tia tanindrazana ary fotoana hampitana ny afon'ny fitiavan-tanindrazana ho an'ny taranaka faramandimby ihany koa izany.