Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy ny alatsinainy 16 martsa 2026 ny tara-kevitra sy ny sary famantarana entina hanamarihana ny hetsi-pahatsiaroavana ny faha 79 taonan'ny tolom-panafahana 29 martsa 1947 amin’ity taona ity, ka tao amin'ny salle d'honneur ao amin'ny MFA Ampahibe no nanatontosana izany .
Tara-kevitra nosafidiana ny hoe : «TOLOM-PANAFAHANA : FANAVAOZANA NY FITIAVAN-TANINDRAZANA", izay midika fanavaozana ny hasin'ny Malagasy, fanavaozana eo amin'ny kolotsaina sy ny fomba amam-panao izay tsy voahaja tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany ka natao hifanaraka amin'ny vanim-potoana ankehitriny izay mivohy ny fanavaozana an'i Madagasikara.
Ho an'ny sary famantarana kosa dia ahitana ny loko ranom-bolamena ny sisiny izay maneho ny hasin'i Madagasikara🇲🇬 sy ny Malagasy. Ny afo eo afovoany kosa dia fanehoana ny herim-po sy ny fitiavan-tanindrazana miredareda ho fampitana ny fanilo amin'ireo taranaka aty aoriana. Ny volotsangana (bambou) indray dia mampiseho ny fitaovana nentin'ireo Malagasy nitsilo ny lalana sy ny toerana itobian'izy ireo, ka jabora no nampiasana ho solon'ny solika fandrehitra tamin'izany. Ny sainam-pirenena malagasy izay natao lafika dia maneho ny fiandrianam-pirenena.
Nitarika ny fotoana ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina, Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy niaraka tamin'ny Jeneraly RAHARIJAONA Faly Michel, Tale Jeneralin'ny Ratsamangaikan'ny Fiarovana na " Direction Générale des Organismes de Défense" (DGOD) eto anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Jeneraly RANDRIANANTENAINA Emilson, Tale mpiahy ny Mpiady Tia Tanindrazana na " Direction des Combattants Nationalistes" (DCN), notronon’ireo mpikambana mandrafitra ny komity teknika mpanomana ny fahatsiarovana ny 29 martsa. Nambaran' Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy fa fotoana hanamafisan'ny olom-pirenena tsirairay ny fitiavan-tanindrazana izao, indrindra ireo mpianatra sy ny tanora, izay ho avin'ny firenena. Nirary soa ny rehetra ihany koa ny tenany hazoto amin'ny fanatanterahana ireo hetsika maro samihafa entina manamarika izany daty manan-tantara izany.
Nandritra io fotoana io ankoatra izay no nizarana ny fandaharam-potoan'ny hetsi-pahatsiaroavana ny 29 martsa 2026. Marihina fa ny 20 martsa 2026 ho avy izao no hosokafana amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny zaridainan’Anosy ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-79 taonan’ny tolom-panafahana 29 Martsa 1947. Aorian'izany dia hisy ny fampirantiana mahakasika ny tolona eny amin’ny zaridainan’Anosy ihany. Ao anatin'izay hetsi-pahatsiarovana izay ihany dia hisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an'ireo zokiolona, ankoatra izany dia hisy ny fampirantiana mitety sekoly. Tanjona ny fameloma-maso ny tantara sy hampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan'ireo mpitolona tamin'izany fotoana izany amin'ireo taranaka aty aoriana.
Ny sabotsy 21 martsa 2026 dia hisy ny fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny firenena izay hatao eny amin'ny fiangonana Advantista Soamanandrariny ary ny alahady 22 martsa 2026 kosa dia eny amin'ny EKAR Antanimena. Raha ny ivon'ny fahatsiarovana ny andron'ny 29 martsa 2026 kosa dia atao eny amin'ny Fasan’ny Mahery Fo na ny "Mausolée", Avaratr'Ambohitsaina sy any Moramanga ary Manakara ny fametrahana fehezam-boninkazo sy ny fampiroboroboana ny afo tsy maty. Marihina fa samy hahatsiaro ny tolom-panafahana avokoa ireo distrika rehetra manerana an'i Madagasikara, ka hisy ny hetsika samihafa amin'izany.