Photo

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐈𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐈𝐈𝐉𝐄𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘

Nitsidika ireo fotodrafitrasa miaramila tao an-tananan'i Toamasina ny Minisitry ny Foloalindahy🇲🇬, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely sy ny delegasiona niaraka taminy ny alahady 01 marsa 2026. Notontosaina tamin'izany ny fitsidihana ny "Bataillon d'infanterie" Toamasina, ny trano fiasana sy fonenan'ny Lehiben'ny Fari-piarovana sy Filaminana Pangalana ary ny "Centre d'instruction et d'intervention spécialisé" Barikadimy izay nahitana fahasimbana goavana avokoa. Nampivory ireo Lehibe mpitarika ao amin'ny Fari-piarovana sy Filaminana sy ireo bataiona ihany koa ny Minisitra mialohan'ny fitetezana ireo fotodrafitrasa simba ka nanafatra azy ireo ny amin'ny fomba tokony hatao hiatrehana ny fanarenana. Nisy ihany koa ny fizarana fanampiana ara-tsakafo ho an'ireo Miaramila sy ny fianakavian'izy ireo teo an-toerana, ary mbola hisy ny fahatongavan'ny tafo fanitso miisa 3000 ny voalohan'ny herinandro manaraka, hanampiana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa miaramila rava. Nambaran'ny Minisitry ny Foloalindahy nandritra ny fitsidihana taorian'izay fa hapetraka ny laharam-pahamehana amin'ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba rehetra, ka vonona ny Minisitera hanampy amin'ireo asa hatao amin'izany, fa nangataka ny fandraisana andraikitry ny tsirairay mialoha izany ny tenany. "Aoka hijoro ho modely ny Miaramila, satria na teo aza ny faharavana sy fahapotehana goavana dia tsy maintsy miatrika sy mijoro aorian'izay, ka aoka ho fitaratra ho an'ny vahoaka ny Tafika amin'izany" hoy izy. Nambarany fa tsy mora izany, kanefa rehefa misy ny finiavana dia tontosa izay tian-katao, ka izay no nentiny nankahery ireo tompon'andraikitra Miaramila tao Toamasina.