Photo

𝐅𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐘 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐒𝐈𝐀𝐍𝐀

Taorian'ny fivoriana notontosain'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy sy ny tompon'andraikitra ao amin'ny "Centre opérationnel" Toamasina ny zoma 27 febroary 2026 dia napetraka ny lamina hitsinjarana ireo fanampiana avy amin'ny Fanjakana rosiana ho amin'ireo kaominina tsy tongan'ny fiara amin'ny alalan'ny angindimby. Nanomboka ny sabotsy 28 febroary 2026 maraina izany fanaterana ny fanampiana izany ka ny tananan’i Mangabe no nanombohana ny fizarana, izay hitohy amin’Antenina, Satradroy ary Fito. Angidimby roa no nitodi-doha nankany amin’izany tanana izany, ka ny angidimby iray an’ny Tafika malagasy ary ny angidimby iray avy amin’ny Tafika rosiana. Ny kaominina tsirairay moa dia hisitrika siramamy, menaka ary vary avy amin’ireo fanampiana ireo. 64 taonanina ny lanjan’ny entana hozaraina, ary 11andro no hanaovana ny fizarana. Misy kaominina telo izay tena tsy todin’ny lalana dia Ampisokiana, Andranobolaha, Amboditandroho ihany koa mbola tafiditra ao anatin’ireo hisitraka ny fizarana, ary ny any Foulepointe sy Ampasimbe kosa dia halefa amin’ny fiara lehibe na camion ny fanampiana. Vahinin’ny fandaharana manokana mivantana avy ao amin’ny ivotoerana mitantana ny fandrindrana ny fanampiana ho an’ny traboina ihany koa Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ka namaliany ny fanontanian’ny mpanao gazety Nathan Mahaiavy. Voalazany tamin’izany ny iraka nampanaovan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra azy, dia ny hijery ifotony ny fandrindrana ny fanampiana ho an’ireo tra-boina any Toamasina sy ny fanaterana ireo fanampiana avy amin’ny Fanjakana rosiana any amin’ireo niharam-boina. Nambaran’ny Minisitry ny Foloalndahy ihany koa fa ao anatin’ny ezaky ny mpitondra Fanjakana ankehitriny ny hanarenana ny fotodrafitra any Toamasina amin’ny ampahany 75% mandra-pahatongan’ny faran’ny volana marsa. Homena laharam-pahamehana amin’izany ny toeram-pianarana sy ny toeram-pitsaboana, izay miantoka ny fianaran’ny ankizy sy ny tanora sy ny fahasalam-bahoaka. Raha ny antontan’isa nivoaka tao amin’ny “Centre operationnel” dia mandray anjara goavana amin’ny fanarenana ny simba ny Tafika Malagasy na amin’ny lafiny maha-olona na amin’ny lafiny ara-pitaovana. Nisy ihany koa ny Miaramila 600 nanatevin-daharana ny ao Toamasina mba hampandry fahalemana ny tanana sy hanampy amin’ny fanarenanana azy. Izany rehetra izany moa dia tafiditra ao amin’ny fanakaikezan’ny Foloalindahy ny vahoaka, araka ny teny filamatry “Foloalindahy manakaiky vahoaka”.