Photo

𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐀𝐆𝐍𝐀𝐌𝐀𝐑𝐎 : 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐄𝐍𝐇𝐎𝐒𝐎𝐀

Tontosa ny alakamisy 26 febroary 2026 ny asa tagnamaro notontosain'ny Fitaleavana Jeneralin' ny Ratsamangaikan'ny Fiarovana na " Direction Générale des Organismes de Défense" (DGOD) sy ireo Fitaleavana telo eo ambany fitarihany eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy. Nentina hikarakarana sy hanadiovana ny eo anivon'ny Hôpitaly miaramila Soavinandriana (CENHOSOA) moa izany asa tagnamaro izany. Nitarika ny hetsika ny Tale Jeneralin'ny Ratsamangaikan'ny Fiarovana, ny Jeneraly RAHARIJAONA Faly niaraka tamin'ny Tale mpiahy ny Mpiady Tia Tanindrazana na " Direction des Combattants Nationalistes" (DCN), ny Jeneraly RANDRIANANTENAINA Emilson, ny Fitaleavana misahana ny Fanompoam-pirenena sy fitantanana ny fiandry na "Direction du Service National et de la Gestion des Réserves" (DSNGR), ny Jeneraly NDRIANANJA Elie Michaël sy ny Talen'ny Foiben'ny Sampandraharahan'ny Fitsaboana Miaramila na ny "Direction Centrale de Service de Santé Militaire"(DCSSM), ny Jeneraly AJIBARA Florent ary ireo mpiasa silivy sy miaramila eo anivon'ireo Fitaleavana ireo. Fanadiovana ho fanatsarana ny tontolo iainana sy ny manodidina ary ny fikolokoloana ity toeram-pitsaboana manan-tantara sy manana ny maha-izy azy ity no natao nandritra izany. Izao no natao dia ho fanatanterahana ny politika ankapobehin'ny Fanjakana sy ny fanakaikezanan'ny Foloalindahy ny vahoaka. Eo indrindra ihany koa ny fisitrahana tontolo madio sy milamina mitondra fitoniana na ho an’ireo tsy salama mila fitsaboana eny an-toerana, na ho an’ireo mpikarakara azy ireo. Naneho fankasitrahana izany fifanomezan-tanana sy firaisan-kina izany moa ny Tale Jeneralin'ny CENHOSOA, ny Jeneraly RATOVONDRAINY Willy.