Nanatontosa hetsika ara- tsosialy teny amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana(CENHOSOA), ny fikambanan’ny vady miaramila ny sabotsy 07 martsa 2026. Ny FIVAMI eto amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy sy ny FIVAMI nasionaly notarihin’ny Filoham-boninahitry ny fikambanana, Ramatoa RAZAFITOMBO Fabienne niaraka tamin'ireo mpikambana manerana ny Nosy no tonga teny an-toerana.
Famomezana toy ny "rideaux" no natolotr'izy ireo mba hoapetaka amin’ireo efitrano rehetra misy ny marary sy ny birao eo anivon'ny Sampandraharahan'ny Hopitaly niampy fonona kidoro avy amin'ny FIVAMI CENHOSOA tao amin'ny Sampandraharaha misahana ny fitsaboana ny ankizy (Service Pédiatrique) mba hahafahan'izy ireo misitraka fitaovana milamina sy mirindra. Marihina ihany koa fa ao anatin'ny fanavaozana ny Hopitaly ny eo anivon'ny CENHOSOA ka izany indrindra no anton' izao hetsika nataon'ny FIVAMI izao.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nilaza Ramatoa vadin'ny Minisitry ny Foloalindahy fa ny taona 1891 ny Hopitaly no efa nidy ka matoa mbola mijoro hatramin'izao vanim-potoana iainantsika izao dia nisy ireo olona nitondra fanatsarana hatrany, ka fotoana hitondrana ny anjara biriky ihany koa izao. Nambarany fa santatra ambavarano izao fa mbola hitohy ny hetsika. Amin'ny maha- vehivavy azy ireo no antony nanolorana "rideaux" satria rehareha ny manana zavatra tsara noho izao Hopitaly izao manana ny maha izy azy. Nentanina araka izany ireo vady miaramila rehetra handray andraikitra ka tsy hiandry fanentanana fa hanao izay tandrifin'izy ireo avy hatrany hoy izy. Nirary soa ny teo anivon'ny Hopitaly ihany koa ny tenany hahatontosa hatrany ny adidy sy andraikitra nankinina amin'izy ireo satria adidy masina izany.
Nambaran'Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Hopitaly Miaramila, ny Jeneraly Profesora RATOVONDRAINY Willy fa ainga lehibe sy tohana entina manatsara ny kalitaon' ny fandraisana an-tanana ny marary ny toy izao. Hiezaka hatrany koa izy ireo hitondra fanatsarana mba ho reharehan'ny Tafika Malagasy🇲🇬. Araka izany dia nisaotra sy nankatelina ny fanomezana ny tenany amin'ny anaran'ny mpiasa rehetra eo anivon'ny Hopitaly sy ny marary rehetra misitraka izany ny tenany. Tsy adinony ihany koa ny nirary soa ireo mpikambana rehetra indrindra amin'ny andraikitra sahanin'ny vadin'izy ireo avy, ho rehareha eo anivon'ny Fanjakana sy ny firenena hatrany, indrindra amin'ny sehatra misy azy avy.
Nandritra izany ihany koa dia nisy ny fanoratana ny boky volamena sy ny
fanolorana tamin'ny fomba ofisialy ireo "rideaux" tamin'ireo tomponandraikitra eo anivon'ny Hopitaly ary nitohy tamin'ny fitsidihana ireo efitrano nametahana izany ny asa soa.
Nifarana tamin'ny fitsidihana sy fanolorana ranom-boakazo hoan'ny ankizy iray taizaina eo anivon'ny ivoterana fitaizana zaza kambotin'ny Tafika eny Antsahasoa Pagode izay manaraka fitsaboana ao amin'ny Hopitaly ny fotoana.
Ny eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy dia mirary fahasalamana feno sy fahasitranana aingana ho an' ireo rehetra misitraka fitsaboana eo anivon'ny Hopitaly indrindra ireo vehivavy.