"Amin'izao fankalazana iraisam-pirenena ny zon'ny vehivavy izao dia miarahaba ny vehivavy rehetra manerana an'i Madagasikara ary indrindra eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny ratsamangaikany ary ianareo vehivavy eo anivon'ny FIVAMI. Manan-danja eo amin'ny firenena ianareo vehivavy satria mpampita ny aina sy fototry ny fitaizana ny ankohonana. Mandray anjara lehibe amin'ny fiainam-pirenena ihany koa ny vehivavy eo amin'ny famokarana, ny asa aman-draharaha amin'ny sehatra rehetra sy ny fiaraha-mientana amin'ny tolona sy ny fampandrosoana. Na dia mbola maro an'isa aza ny lehilahy eto anivon'ny Foloalindahy dia efa miha-maro kosa ny isan'ny vehivavy manatevin-daharana ny Tafika sy ny Zandarmaria. Mankahery anareo vehivavy ny tenako ary mirary anareo hahavita bébé kokoa hatrany amin'ny adidy aman'andraikitra".
𝐇𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚