Photo

"𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐕𝐀𝐃𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐑𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀, 𝐇𝐄𝐑𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀"

Nanomboka ny alarobia 4 martsa 2026 ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy teto Madagasikara tao amin'ny Lapan'ny kolotsaina sy fanatanjahan-tena Mahamasina. Nisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana niarahana tamin'ireo Vadin'ny Hery Fiarovana sy Filaminana (FDS) sy ireo fikambanana sy hery velona ivondronan'ny vehivavy eo anivon'ny FDS. Nitarika izany fotoam-pivavahana izany ny Fitaizam-panahin'ny Foloalindahy. Ny soratra masina avy amin'ny Marka 7:24-30 no nitondrana ny fizarana ny tenin'Andriamanitra nandritra izany fotoana izany. Niombom-bavaka tamin'izao fotoana izao ny Vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika🇲🇬, Ramatoa RANDRIANIRINA Elisa, ireo Vadin'ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana, ny Vadin'ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, ireo minisitra vehivavy ary ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany eto amin'ny firenena sy ny Foloalindahy. Manana adidy amin'ny fanavaozana isika vehivavy hoy Ramatoa RAZAFITOMBO Fabienne, Vadin'ny Minisitry ny Foloalindahy nandritra ny fandraisam-pitenenany. "Isika no reny manabe sy mitaiza ny taranaka, isika no mampita voalohany ny kolotsaina amin'ny alalan'ny teny reny" hoy izy. Ny fifampitaizana ao anatin'ireo fikambanana isan-tsokajiny ihany koa dia manampy betsaka amin'izany, ary nanentana ireo izay mbola misalasala izy fa ny vehivavy no tompo-marika amin'ny fanavaozana. Manomboka amin'ny tsirairay izany ka mipaka any amin'ny daholobe. Namaranany ny lahateniny ny fisaorana ny Vadin'ny Filohan'ny fanavaozana tamin'ny fanotronana ny fotoana notontosaina, toy izany ihany koa ireo vadin'ireo Lehibe isan'ambaratonga eto amin'ny firenena. Nitohy tamin'ny seho ara-kolotsaina, hira sy vakodrazana ny fankalazana ary nofaranana tamin'ny famelabelarana mahakasika ny zon'ny vehivavy tamin'ny tapakandro hariva izay niarahana tamin'ny Minisiteran'ny mponina sy ny firaisankina sy dihy "zumba" niarahan'ny rehetra nifaly.