Natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 27 febroary 2026 teny amin'ny Tobi-pamaharana Ivato ny fanampiana avy amin’ny Federasion'i Rosia ho an'ireo tra-boina vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani. Nandray izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël niaraka tamin'ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARIVELO Herintsalama sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ka isan'izany ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely ary ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindonin-doza na « BNGRC ».
Fanampiana 60 taonina no natolotry ny fanjakana rosiana, izay ahitana vary 30 taonina, tsaramaso mena 16 taona ary menaka fihinana 13 taonina.
Ho an’ny Minisiteran’ny Foloalindahy manokana dia nisitraka fiara be (kamiao) miisa 6, izay efa misy entana tahaka ny siramamy 600 kg sy paty 600 kg ary menaka 600 kg izy ireo. Tsy ambakan’izany fa mbola misy ihany koa ny angidimby « Mi-8 » natolotry ny federasion'i Rosia mba hitondrana ireo entana ireo any amin’ny traboina any Toamasina II.
Maneho fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena roa tonta izao hetsika izao ary ny fanampiana natolotra dia porofo hita maso manamarina izany, indrindra anatin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza roa nisesy hoy ny Minisitry ny Foloalindahy. Nambarany fa sarotra ny fiatrehana sy ny fanarenana ireo rava ary izany indrindra no nanolorany fisaorana ho an’ny federasion'i Rosia, indrindra fa tamin’ny fanampiana ho an’ny tafika sy ny vahoaka malagasy." Nanamafy izy teny am-paranana fa eo anilan'ny vahoaka hatrany ny Fanjakana malagasy ary vonona ny Tafika hiatrika ny adidy amin’ny fiarovana sy fanampiana ny mpiray tanindrazana.
Ny Tafika rahateo dia mandray anjara amin’ny hetsika sosialy tahaka izao. Porofon’izany ny fiarovana sy fanampiana ireo traboina, ny fiahiana ara-pahasalamana atao, ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba ary ny fanokafana ireo lalana tapaka rehetra.
Marihina fa nanainga ny zoma ho any Toamasina ihany ireo fitaovana ireo. Ny fiara be dia natao hitaterana entana sy ireo fanampiana ireo niharam-boina.