Photo

𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 (𝐒𝐄𝐌𝐈𝐏𝐈) : 𝐍𝐀𝐊𝐎𝐓𝐑𝐎𝐊𝐎𝐓𝐑𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟏𝟎𝟑 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘

Tontosa ny zoma 22 mey 2026 tao amin’ny Sekoly Miaramilam-Pirenena (SEMIPI) Beravina Fianarantsoa ny fankalazana ny faha- 103 taonan'ny sekoly, ka lanonana ara-miaramila telo sosona no nentina nanamarika izany. 

Voalohany tamin'izany ny fanehoahana ambany faneva ireo mpianatra sy ny batemin’ireo mpianatra taona faharoa amin’ny taom-pianarana 2025-2026 misalotra ny anarana "JOHARY".

Nanaraka izay dia nisy ny famindram-pibaikoana teo amin’ny Kaomandin’ny Sekoly teo aloha, ny Kolonely NDRAMANORO Hobindraza Donatien sy ny Kaomandin’ny Sekoly vaovao, ny Kolonely RANDRIANARISATA Ony Zafinirina.

Namarana ny fotoana ny fankalazana ny fetin'ny sekoly ka nandritra izany no nitokanana ireo fotodrafitrasa vaovao, ahitana efitrano fanaovana fanatanjahatena (“salle de musculation”) sy efitrano fatoriana miisa enina ho an’ny mpianatra.Teo ihany koa 

ny matso lehibe notontosain'ireo mpianatra eo anivon'ny Sekoly ho fanamarihana izany faha-103 taonan'ny sekoly izany.

Naneho fankasitrahana manokana ireo mpikarakara ny lanonana noho ny filaminana sy ny firindran’ny fikarakarana ny Filohan’ny Fanavaozana, izay nanome voninahitra ity lanonana ity. Nambarany nandritra ny lahateniny fa ilaina ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra ho fanatanterahana ireo vina fampandrosoana napetraky ny Fitondrana mahefa. Nohamafisiny ihany koa fa manohy ary miezaka mamaly ny filàn’ny vahoaka eny ifotony ny Fitondrana. Hafatra napetrany ho an’ny Foloalindahy sy ny Hery Fiarovana amin’ny ankapobeny ny maha-zava-dehibe ny fifanomezan-tànana sy ny firahalahiana ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Nambarany ihany koa fa hisy ny famatsiana fitaovana ho an’ny toerana fanaovana fanatanjahantena.

Nanamafy ihany koa Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta fa ho avy ihany koa ny fampitaovana sy fanatsarana ny efitrano fiasan’ny mpampianatra. Ireo ezaka ireo dia entina hanatsarana hatrany ny tontolon’ny fanabeazana sy fanofanana miaramila eo anivon’ny Sekoly.

Nanotrona izao lanonana izao ankoatra ny Filohan’ny Fanavaozana ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara🇲🇬, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ny Minisitra Delege misahana ny Zandarmaria, ny Jeneraly BAMA Marima ary ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène. Teo ihany koa ireo mpikambana sasantsasany eo anivon'ny Governemanta, ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila ary ireo ray aman-dreny sy maintimolalin’ny Sekoly.