Photo

𝐀𝐊𝐀𝐃𝐄𝐌𝐈𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐁𝐄 : 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐊𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟔𝟎 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘

Notanterahina ny 21 mey 2026 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny lanonana fanokafana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny sekoly. Hetsika maro no nanamarihana izany, izay natomboka tamin'ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana nitondrana am-bavaka ny sekoly sy ireo mpianatra ho manamboninahitra miofana ao. Taorin'izay dia nisy ny fitokanana ny vatolahy matsokoloha, mariky ny faha-60 taona ary ihany koa natao ho famelan-kafatra ho an’ireo solofo sy dimby handalo ao amin’ity sekoly fanofanana ho manamboninahitra ity.

 

Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michael, ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny Jeneraly RABEARIMANANA Lucien sy ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry, ary ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, RAJAONARISON Mamitiana. Nanotrona izany lanonana izany ihany koa ny Minisitry ny foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely sy ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly BAMA Marima, ny mpikambana eo anivon'ny Governemanta ary tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Teo ihany koa ireo komandin’ny sekoly teo aloha, ireo tompon'andraikitra ambony eto anivon'ny Foloalindahy sy ny manamboninahitra nifandimby niofana tao amin’ny Akademia Miaramila ary ireo olomanan-kaja avy ao amin'ny Faritra Vakinankaratra.

 

Ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika no nandrotsaka ny taratasy voalohany mirakitra ny hafatra ho an'ireo zandry any aoriana tao anatin'ity vato famelan-kafatra ao amin’ny Akademia Miaramila ity. Araka ny nambaran'ny Komandin'ny Akademia Miaramila, ny Jeneraly RATSARAHEVITRA Andriamisetra dia amin'ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny sekoly, izany hoe ny taona 2066 no hanokafana indray an’izany vatolahy izany.

 

Nanambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny lahateny nataony fa mariky ny famendrehana ny fisian’ny fankalazana toy izao, izay hirakitra ao am-po ary hipetraka ho an’ny taranaka any aoriana. « Raketo sy ataovy an-tsaina ireo hafatra ampitana amin’izao fotoana fankalazana ny faha 60 taona izao mba ho fanilo sy vatsy entina miaina. Toavy ny hafatra apetrak’ireo zoky izay manoro ny lala-mahitsy amin'ny fanatanterahana ny adidy ho an'ny Tanindrazana » izany no hafatra napetraky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ho an'ireo taranaka amam-para handalo amin'ity sekoly ity.

Nitodika manokana tamin’ny mpianatra ao amin’ny sekoly ihany koa ny tenany ary nanambara fa ny maha manamboninahitra dia tsy midika fa hamoritra vahoaka fa kosa hanompo ny tanindrazana sy ny vahoaka Malagasy. Tokony hanana izany toe-tsaina izany avokoa izay mivoaka an'ity sekoly ity hoy hatrany izy.

Marihina fa ny volana mey 1966 no nivoahan'ny didim-panjakana manambara ny fitsangan'ny Akademia Miaramila Antsirabe ary ny 1 Oktobra 1966 kosa no tafajoro ny Akademia Miaramila Antsirabe. «Maro ny zavatra nodiavin’ny sekoly ary maro ihany koa ny tomponandraikitra ambony nandalo teto amin’ny Akademia Miaramila raha eto amin’ny kaontinanta afrikana. Zava-dehibe izany ka rehefa nifandinika izahay dia nitsiry ny hevitra ny hametraka an’izao vato famelan-kafatra izao ho an’ny taranaka faramandimby.» hoy kosa ny Minisitry ny Foloalindahy nandritra ny lahateniny. Isika mandalo fa ny hafatra mitoetra ka ilaina izao vato famelan-kafatra tahaka izao, hampitana ireo hafatra ho fanilo sy vatsy ho an'ireo zandry, zanaka hoy hatrany ny tenany.

Afaka mametraka hafatra ao amin'ity vato matsokoloha ity avokoa ireo manamboninahitra rehetra niofana tao amin'ny Akademia ka ny 1 oktobra 2026, izay ivon'ny fankalazana kosa no hakatona izany vato izany ary tsy ho sokafana raha tsy amin'ny taona 2066, ka isaky ny 50 taona aorian'izay no hanokafana azy.

Lohahevitra noraisina amin'ity fankalazana ny faha 60 taona ity ny hoe : « Ho an'ny tanindrazana, mitodika amin'ny ho avy mamiratra ».