Notanterahina ny zoma 5 jona 2026 tao Taolagnaro ny lanonana famindram-pibaikoana teo amin’ny Komandin’ny Fari-piarovana sy Filaminana Mandrare teo aloha, ny Jeneraly LAHITONONY Zafitsiarendrika, sy ny Komandy vaovao, ny Kolonely ANDRIAMIFIDISOA Deranjanahary José Yves.
Nanome voninahitra izany lanonana izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, ary ireo manampahefana sivily sy miaramila isan-tsokajiny.
Naneho fisaorana sy fankasitrahana ny Komandin'ny Fari-piarovana sy Filaminana Mandrare teo aloha noho ny asa vitany sy ny ezaka nataony nandritra ny fotoana nitantanany ny ZDS Mandrare, ny Minisitry ny Foloalindahy nandritra ny lahateniny. Nirary fahombiazana ho an’ny Komandy vaovao ihany koa izy amin’ny fanatanterahana ireo adidy sy andraikitra ankinina aminy ho fampandriana fahalemana sy ho fiarovana ny vahoaka.
Nandritra io fotoana io ihany koa no nitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny birao vaovaon’ny Fari-piarovana sy Filaminana Mandrare. Fotodrafitrasa feno, natao handrindrana sy hamolavolana ireo hetsika rehetra mifandraika amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Ahitana toeram-pibaikoana, efitra fatorian’ny miaramila, birao fiasana, efitrano fivoriana, lakozia, trano fidiovana ary ireo fitaovana ilaina amin’ny fampandehanana ny asa andavanandro, ka hanatsara ny tontolon’asan’ireo miaramila miasa ao amin’ny Fari-piarovana sy Filaminana Mandrare.