Photo

𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 - 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐅𝐑𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐘 : 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐀𝐋𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝟐𝐄𝐌𝐄 𝐁𝐈𝐌𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝟓 𝐄𝐌𝐄 𝐑𝐄 𝐌𝐀𝐘𝐎𝐓𝐓𝐄

Notontosaina ny 04 jona 2026 tao amin'ny «2ème Bataillon d'infanterie de Marine» na ny 2ème BIMA, ao Antsiranana ny fanaovan-tsoina ny sata mifehy ny fifanaraham-piralahiana, eo amin'ity vondrona ity sy ny 5ème Regiment Étranger (5ème RE) an'ny Tafika frantsay aty amin'ny Faritra Atsimon'ny Ranomasimbe Indiana na ny FAZSOI, izay mitoby ao Mayotte.

Natao izao fifanaraham-piralahiana izao mba hanamafisana ny fiaraha-miasa efa nisy nandritra ny taona maro teo amin’ny roa tonta, ary koa hampiroboroboana ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo miaramila mandrafitra ireo vondrona roa ireo, izay samy manana andraikitra lehibe amin’ny fiarovana sy fitandroana ny fandriampahalemana ao amin’ny tapany atsimon’ny Ranomasimbe Indiana.

Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina, niaraka tamin'ny Komandy ambony eo anivon'ny FAZSOI (Forces Armées dans la Zone Sud de l'Océan Indien), ny Jeneraly Jean de Monicault. Nanotrona ny fotoana ihany koa ny Jeneraly RAKOTOARISOA Herinjanahary, Talen'ny Birao misahana ny fandrindrana ny hetsika eo anivon'ny Etamazaoron'ireo Tafika, izay nisolo tena an'andriamatoa Jeneraly Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Amiraly SAM HIENG TWION Kalobe Mickaël, Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-dranomasina ary ny Komandin'ny 5ème Régiment étranger, ny Kolonely Renaud VOYER.

Nidera sy nankasitraka an'izao fifanaraham-piralahiana izao Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny nandritra ny lahateniny. Nambarany fa hanamafy sy hanitatra bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ity fifanaraham-piralahiana eo amin’ny 2ème BIMA sy ny 5ème RE ity, indrindra eo amin’ny sehatry ny fifampizarana traikefa sy ny fampiofanana.

Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny fanazaran-tena sy fiofanana niarahan’ny miaramilan’ny 2ème BIMA tamin’ireo miaramila avy ao amin’ny « Détachement d’Instruction et d’Opération » sy ny « Détachement d’Instruction Technique » ao amin’ny «5ème RE». Tanjon’izany fiofanana izany ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo miaramila mandrafitra ny 2ème BIMA, na eo amin’ny fanatanterahana ny asa izany na eo amin’ny fikojakojana sy fanamboarana fitaovana.

Tafiditra tao anatin'izao fanatevenana ny fahaiza-manao izao ny fianarana fanamoriana «drône», ny fanavotana aina eny an-dranomasina, ary ny fikirikarina sy fanamboarana ireo fitaovana simba toy ny basy, fiara, ny «zodiac».

Miaramila miisa 42 no nanaraka ny fiofanana, izay naharitra telo herinandro. Notolorana mari-pahaizana izy ireo rehefa nahavita ny fiofanana. Nisy ihany koa ny fampisehoana ny fahaiza-manao sy ny zava-bitan’ireo mpiofana, izay notanterahina tao amin’ny ivon-toeram-panazaran-tenan’ny 2ème BIMA ao Ramena.

Nanambara Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, fa maha velom-bolo ny finiavan'ny Tafika malagasy hanamafy ny fahaiza-maonony sy ny traik'efa ananany. Izany dia hanatsarana bebe kokoa ny asany eny anivon'ny vahoaka sy ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana. Tsy nohadinoiny ny nisaotra ny Tafika Frantsay tamin'izao hetsika izao ary manantena hatrany ny hivelaran'izany fiaraha-miasa izany ny tenany.