Photo

𝐅𝐀𝐍𝐎𝐊𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐄𝐓𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐋𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Natomboka tamin’ny fampiakaran-tsaina🇲🇬 iombonana manoloana ny Lapan'ny Tanàna Analakely ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan'ny fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy, ny alatsinainy 1 jona 2026 tamin'ny 10 ora maraina. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Jeneraly ZAFITASONDRY Marcellin niaraka tamin’ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry izay nisolo tena an’Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanatrika izao lanonana izao ihany koa ny Praiminisitra Lehiben'ny governemanta, ireo minisitra mpikambana anivon'ny governemanta ary ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena sivily sy miaramila.

Nandritra izany dia nisy ny hafatra tena mafonja nampitain’Andriamatoa Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Jeneraly ZAFITASONDRY Marcellin ny amin’ny tsy tokony haneken’ny vahoaka Malagasy ho voatarika any amin'ny làlan-diso, sy tokony hanohizan'ny Foloalindahy ny fahendrena izay efa nananany hatramin’zay ary ny fampitomboana hasina ny Teny Malagasy. 

Nandritra lahatenin’Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely no nanamafisany fa andro lehibe sy manan-tantara ho an’ny firenena Malagasy ny 26 jona sady andro manamarika ny fahafahana sy ny fiverenan’ny hasin’ny firenena Malagasy. Nambarany fa tsy kisendresendra no nahazoana an’izany fahaleovantena izany fa nisy ny fahafoizan-tena sy ady mafy natrehan’ireo razam-be sy mahery fon’ny firenena izay niady ary nanolotra ny ainy ka nahafahantsika misitraka ny fahalalahana sy fahaleovantena izay hiainantsika ankehitriny. Koa amin’izao fanombohana ny fankalazana ny fetim-pirenena izao dia aoka hiredareda ao am-potsika hatrany izany fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo razam-betsika zany, mba ho solika mandrehitra ny fanahin’ny herim-po, hiady sy hifofotra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikarahoy hatrany ny teneny. Notsipihiny fa ny tara-kevitra noraisina tamin’ity taona ity dia ny hoe “Fanavaozana ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara”, izay mifanindran-dalana tanteraka amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, dia vanim-potoanan’ny fanavaozana. Tsy fehezanteny fotsiny izany, fa antso sy ainga ho an’ny rehetra hanavao sy hanamafy ny fitiavan-tanindrazana.

Nifanindran-dalana tamin'izao lanonana izao ihany koa ny fanokafana ny "Iray volan'ny Teny Malagasy" ka nisy ny fanolorana ny loka ho an'ireo nandresy tamin'ny fifaninanam-pirenena momba ny literatiora. Nampiavaka izao lanonana izao ny seho an-tsehatra momba ny fahaleovantena nataon’ireo tanora 

Marihina fa samy nanatanteraka ity fananganan-tsaina niombonana ity avokoa ny tany amin'ny faritra rehetra manerana ny Nosy, ho fiaraha-mientana sy firaisankina hahatongavana amin'ny tena fanavaozana ho fampandrosoana an'i Madagasikara.

Araka ny fanentanana nataon'ny Komity mpikarakara ny fankalazana ny fetim-pirenena dia asaina ihany koa ny isan-tokantrano hametaka ny sainam-pirenena.