Notanterahina ny 05 hatramin’ny 10 mey 2026 tany Oran, Algerie ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja lomano.
Nisongadina tanteraka nandritra izany i HARIVONY Jonathan Raharvel izay mpilomano nivoaka tao amin’ny "Club Omnisport des Forces Armées(COSFA) natation" eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy. Izy dia nitondra avo ny voninahitr'i Madagasikara🇲🇬 tamin’ny fandresena azony teo amin'ny 50 metatra "brasse", ka nahazoany medaly volamena tamin’ny fotoana 28’’30 izany. Zava-bita manan-tantara eo amin’ny lomano Malagasy ity tontosa ity, satria nahafeno ny fe-potoana hahazoana ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Afrika izy.
Noho io zava-bitany io dia izy no Malagasy faharoa nahazo ny anaram-boninahitra afrikana lehibe indrindra tamin'ny taranja lomano taorian’i Bako Ratsifandrihamanana ny taona 1987. Nandritra ny fifaninana "all-africa games" tany Kenya no nisehoan'izany.
Ankoatra izay dia nahazo medaly volafotsy ihany koa i HARIVONY Jonathan Raharvel tamin’ny 100 metatra "brasse", taorian’ilay Afrikana tatsimo Nicolas Lange.
Marihina fa anisan’ireo mpilomano Malagasy sangany i HARIVONY Jonathan Raharvel ary efa nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe maro, indrindra nandritra ny taona 2024 tamin'ny fifaninana antsoina hoe "summer olympics".
Ankehitriny dia manohy ny fianarany mikasika ny fanatanjahantena any Budapest, Hongrie izy sady manohy hatrany koa ny fanazaran-tenany eo amin’ny taranja lomano amin’ny haavo iraisam-pirenena.
Izao fandresena azony izao dia manamafy ny toerany eo amin’ny tantaran’ny fanatanjahantena Malagasy.